Covid-19 : Tratra ny aretina i Emmanuel Macron

  • jeudi, 17 décembre 2020 15:52
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nanao fanambaràna io maraina io ny fiadidiana ny Repoblika Frantsay fa mitondra ny otrikaretina Covid-19 ny filoha frantsay Emmanuel Macron.

Tonga dia natoka-monina mandritra ny 7 andro avy hatrany izy, ary nilaza fa mbola manohy ny asa maha filoha azy amin'ny alalan'ny fifandraisan-davitra.

Ny Praiminisitra Jean Castex kosa, na tsy mitondra ny otrikaretina tamin'ny fitiliana natao azy, dia nanokan-tena avy hatrany ihany koa satria tafiditra amin'ilay hoe "Cas contact", na isan'ireo nifampikasoka tamin'ny filoha.

2 409 062 hatreto no voan'ity aretina ity any Frantsa hatramin'ny niatombohan'ny valanaretina, 180 311 ireo sitrana, ary 59 361 ireo namoy ny ainy.
Hanomboka ny 27 desambra izao ny fanaovam-bakisiny any Europe, ary efa mihomana amin'izany Frantsa.

Mbola misy ahiahy anefa ny maro, satria nahitana vokatra hafa ny any Alaska Etats-Unis izay efa miroso amin'ny vakisiny fiarovana amin'ny Covid-19.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.