Antenimieram-pirenena : Misalasa ireo depiote momba ireo fiampangana manoloana ny Fitsarana Avo

  • mardi, 15 décembre 2020 13:09
  • Zakaria
  • Sary AN

Nodinihin’ireo Solombavambahoaka ny alatsinainy 14 desambra 2020 teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza ny tolo-pehin-kevitra misahana ny fiampangana manoloana ny Fitsarana Avo.

Ny raharaha anenjehana an’i Reboza Razafindrevalo Mahavonjy Julien no natao. Fanararaotana andraikitra no niampangana azy tamin’ny famarotana ny tany « St Antoine », izay misy ny « Villa Elisabeth », trano nonenan’ny Filoha teo aloha Zafy Albert.

Famarotana izay natao tamin’ny taona 2014 nandritra ny naha Praimisitra lefitra misahana ny fananantany ny tenany.

Noho ny tsy fahatraran’ny fetr’isa ilaina dia tsy afaka nandray fanapahan-kevitra ireo Solombavambahoaka.

Marihina fa ny atsasa-manilan’ireo Solombavambahoaka no tokony mandany izany arakany lalàna mahakasika ny Fitsarana Avo laharana 2014-043, amin’ny andininy faha-39.

Nahemotra araka izany ny fandinihina ny raharaha.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.