Pr Vololontiana Hanta Marie Danielle : Voatendry ho Mpandrindra Nasionalin’ny ONN

  • jeudi, 10 décembre 2020 11:32
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Voatendry ho Mpandrindra Nasionalin’ny ONN na ny « Office National de Nutrition » nandritra ny filankevitry ny minisitra ny alarobia 09 desambra ny Profesora Vololontiana, teraka Randrianasolo Hanta Marie Danielle.

Sojaben’ny fakioltenan’ny fitsaboana eny amin’ny oniversten’Antananarivo izy, ary mpitondrateny ny Foibe fibaikoana ny Covid-19 na CCO, mpilaza ny tarehimarika sy mpanao tatitra isan’andro mikasika ny fivoaran’ny valanaretina Covid-19 no nahalalan’ny maro azy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.