Fitsarana : Mitarazoka ny fanatanterahana ny fampanantenan’ny filoha Rajoelina mikasika ny fonja

  • lundi, 26 octobre 2020 09:53
  • Balita
  • Tahirin-tsary nindramina

Miantso ny filoha Andry Rajoelina hanafaingana ny fanatanterahana ny fampanantenany mikasika ny fonja eto Madagasikara ny fikambanana iraisam-pirenena Amnesty International.

Tonga nitsidika tao amin’ny fonjan’Antanimora ny filoha ny 31 okotobra 2019.
Nanambara fepetra samihafa ho fitsinjovana ny zon’ny voafonja sy ireo voatana am-ponja vojimaika izy tamin’izay.
Anisan’ny fepetra nambarany ny fanamboarana toeram-pamonjana vaovao.

Namotsotra mpifonja aman’arivony ihany koa izy saingy tsy voakasik’izay ireo voatana am-ponja vonjimaika.

Tery sy tsy manaraka ny fenitra takiana intsony ny fonja eto Madagasikara ka mampiaka-peo ireo fikambanana sy vondrona samihafa.

Eo amin’ny 10 000 eo ny isan’ny olona zakan’ny toeram-pamonjana miisa 82 eran’ny Nosy.
Ny volana aogositra lasa teo anefa dia nahatratra 27 000 ny isan’ireo voatana am-ponja vonjimaika sy voampanga ka manefa ny saziny any am-ponja. Izany hoe : avo telo heny be izao.

Ny 54 isanjaton’izy ireo dia voatana am-ponja vonjimaika noho ny fandikan-dalana madinidinika.

Heverina fa ny fahateren’ny fonja eto Madagasikara no anisan’ny antony mahatonga ireo voafonja ho mitsoaka.
Nahatratra 88 izy ireo no nanao izany tamin’ity taona ity, ka maty voatifitry ny mpitandro filaminana ny 22 tany Farafangana.

Vao mainka nampitombo ny fahasahiranana momba ny fandraharahana ny fonja ny fisian’ny Covid-19, izay nampitarazoka ihany koa ny fanatanterahana ny fampanantenan’ny filoha.

Balita Raharisoa

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.