Pr Zafy Albert : Notokanana androany ny tsangambato fahatsiarovana azy etsy Ambohijatovo

  • mardi, 13 octobre 2020 21:19
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nosafidiana ny datin’ny 13 oktobra, itsingerenan’ny nahafatesany ny 13 oktobra 2017 nitokanana ny tsangambato fahatsiarovana an’i Pr Zafy Albert etsy Ambohijatovo – Antananarivo.

Filoham-pirenena voalohany voafidim-bahoaka tamin’ny Repoblika fahatelo i Pr Zafy Albert. Ambara ho Rain’ny demokrasia izy, ary koa mpanalalana ny fampihavanam-pirenena.

Niatrika ny lanonam-pitokanana Rtoa Thérèse Zafy, vady navelan’i Pr Zafy Albert. Nisy lehiben’ny andrimpanjakana vitsy nanotrona. Nitarika ny solontena ny avy amin’ny mpanatanteraka ny Minisitry ny Ati-tany Razafimahefa Tianarivelo.

Samy tsy tazana teo Ambohijatovo ireo filoha voafidim-bahoaka nifandimby nitondra an’i Madagasikara, na ny teo aloha na ny amperinasa. Tsy teo koa ny Praiminisitra amperinasa. Tsy tazana ihany koa ny filohan'ny Antenimieram-pirenena, nefa efa solombavam-bahoaka voafidy tany Ambilobe ihany koa ny Pr Zafy Albert.

Ambohijatovo moa dia notokanan'i Andry Rajoelina ho kianjan'ny Demokrasia, fa izy ihany koa no tsy namela ny rehetra ampiasa izany toerana izany ho fanehoan-kevitra ara- demokratika.

Ny Pr Zafy Albert aza moa anisan'ireo voadaroka grenady lakrimozenina rehefa nanotrona fihetsiketsehana nandritra ny Tetezamita.

Foana ilay tsirim-panantenana ho an’ny fampihavanam-pirenena, hoy ny mpitazana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.