Bois de rose: Iza ireo mpandraharaha nanondrana tany ivelany nefa tsy nandoa hetram-panjakana

  • lundi, 12 octobre 2020 10:27
  • Tigre

Na efa tany amin'ny taona 2011 aza no efa noraràn'ny didy hitsivolana, ordonnance 2011-001 ny 08 aogositra 2011, ny famarotana, fanondranana, fitaterana andramena na bois de rose, dia maro ireo mpandraharaha amin'izany sehatra izany no tsy nandoa ny hetram-panjakana takian'izany, izay tokony nandoavana 72 000 000ar isaky ny kontenera, ka ny 12 000 000ar entina anatsarana sy tontolo iainana sy ny ala, ary ny 60 000 000ar isaky ny kontenera hamatsiana ny kitapom-bolam-panjakana, andoavana karaman'ny mpiasam-panjakana, hampandehanana ny sekoly sy ny hopitaly.

Fantatra anefa fa kontenera mihoatran'ny 2000 isa no nivoaka teto Madagasikara, raha ny taona 2009 ny mankaty.

Raha ny fanamarinana nataon'ny Fitsarana manokana momba ny ady amin'ny kolikoly ny taona 2017 anefa dia 4 amin'ireo mpandraharaha 13 ihany no voalaza fa nanefa izany hetra izany, dia Etablissement RAMIALISON, Entreprise Laisoa Jean Pierre dit Jaovato, ny Société THUNAM, ary ny Etablissement RANJANORO.

Raha tsiahivina anefa ny 07 aogositra 2020 i Bezokiny Christian Claude, karana mpanao bois de rose, anisan'ny nanondra kontenera maro, ary mbola tokony hanana tahiry 11 971 rondins sy 5 028 plaquettes de bois de rose, araka ny fanambaràna nataony ny 07 septambra 2011 (370/DREF SAVA) izay noferan'ny lalàna tsy azo ahetsika na amidy intsony, dia nitonon-tena teo anivon'ny fitsarana ambaratonga voalohan'Antananarivo fa mbola nivarotra, ary nitatitra sy nanatitra bois de rose tany amin'i Laisoa Jean Pierre dit Jaovato ny volana novambra 2012 sy aprily 2013 taorian'ny didy mandrara ny famarotana sy famindran-toerana ireo bois de rose efa voaisa.

Ity farany dia mbola nangataka tamin'ny fitsarana ambaratonga voalohany eto Antananarivo, na samy monina any Antalaha aza ny mpitory sy ny toriana, mba hanageja ny vola any amin'ny banky sy ny fananan'i Solombavam-bahoaka teo aloha Jaovato, fa nolazainy tsy nahaloa ny volany izay tombanany any amin'ny 1 585 408 000ar.

Ny mahagaga amin'ity raharaha ity anefa, raha ny Fehezan-dalàna momba ny paikady madio na Code de procedure civile, dia mazava ao amin'ny andininy faha 79, mamaritra ny fahefan'ny toeram-pitsarana, dia ao amin'ny Tribonaly misy ny toeram-ponenan'ny olona toriana izay miaro-tena no afaka mitsara ny raharaha, nefa ny fitsarana eto Antananarivo no nitondran'i Bezokiny Christian Claude ny raharaha, ary nilaza fa afaka mitsara izany ny eto Antananarivo, izay nanome rariny teo amboalohany an'ity mpandraharaha karana ity, izay nazahoan'i Laisoa Jean Pierre dit Jaovato rariny indray rehefa notakian'ny fitsarana ny anamafisana ny didy nivoaka teo aloha.

Ny Solombavam-bahoaka teo aloha Laisoa Jean Pierre dit Jaovato anefa dia monina ary voafidy ao Antalaha, izay ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana no mandray ny fanapahana miaraka amin'ny antonta-taratasy filatsahana, ka anatin'izany ny fanamarinam-ponenana na certificat de résidence. Any Antalaha ihany koa i Jaovato no mifidy.

Ny olom-pirenena rehetra dia arovan'ny Lalampanorenana ary manan-jo ny hanana trano na fananana manerana ny nosy, na eto Antananarivo na any amin'ny faritra hafa, eny na any ivelan'i Madagasikara aza. Fa tsy midika izany fa monina eto Antananarivo na monina any ivelany izy.

Ny fampilazana rehetra nataon'ny vaditany momba ity raharaha rehetra ity ihany koa dia tao amin'ny trano fonenan'i Laisoa Jean Pierre dit Jaovato tao Antalaha avokoa no natao, na ny sefo fokontany dia nadiadiana ka nanambara fa monina ao Antalaha ity Solombavam-bahoaka teo aloha ity.

Ka mampametram-panontaniana izany ny hoe, inona no anerena vaimanta ity raharaha ity ho tsaraina aty Antananarivo? Nahoana no dinganina ny lalàna mametra fa tsy maintsy ny Tribonaly misy ny fonenan'ny toriana miaro-tena no hitsarana ny raharaha, ny mpitory rahateo monina ihany koa ao Antalaha, ary sampanan-dàlana iray no mampisaraka ny toeram-ponenan'i Bezokiny Christian Claude sy Jaovato ao Antalaha, izay nanamafy ity farany fa mbola tsy nanao raharaham-barotra tamin'ity Karana mitory azy ity, porofon'izany na fakitira iray aza tsy nasehon'ity karana ity.

Andramena amina miliara, tsy tahon'afokasika akory ka azo atao am-paosy, fa tsy maintsy hita, iza ny saofera sy fiara nitatitra izany, iza ireo dokera nibaby ny hazo izay ny andramena iray milanja 120Kg, aiza no nasiana azy, ary indrindra aiza ny fahazoan-dàlana sy vola naloa tamin'ny fanjakana momba izany famarotana hivelan'ny fotoana efa noràran'ny lalàna izany.

Tokony anao fanadiadiana izany ny eo anivon'ny ministeran'ny tontolo iainana, raha mbola ao tokoa ireo andramena rehetra nogiazana tsy mahazo mihetsika araky ny lisitra sy fanambaràna nataon'ireo mpandraharaha andramena voarakitra ao amin'ny arrêté régional 020.11/REG/SAVA ny 23 septambra 2011, izay nahitana mpandrahara 101 nanao fanambaràna, ka anisan'izany ity karana ity, milaza mbola manana 11 971 rondins sy 5 028 plaquettes de bois de rose.

Tokony hampiseho ny mangarahara ihany koa ny eo anivon'ny ministeran'ny vola, iza ireo tsy nandoa hetra, ary ohatrinona ny vola niditra momba ity andramena ity.

Aiza ny ministeran'ny fitsarana, ministeran'ny fiarovam-pirenena, ny Sekreteram-panjakana momba ny Zandarimaria, ny Bianco, ny Samifin, ny PAC sy ny Fitsarana manokana momba ny bois de rose amin'izao raharaha izao, fa ity mpandrahara karana Bezokiny Christian Claude ity mihitsy no efa miampanga tena, izay amafisin'ny mpisolo vava azy, ny 07 aogositra 2020 eo anivon'ny Fitsarana fa namarotra sy nitatitra andramena ao anatin'ny fotona efa andraràna ny famarotana bois de rose.

Sa ve izao fitoriana mandeha izao, entina fotsiny anamarinana ny mety tsy fisian'ireo tahirin-kazo ireo intsony?

Andrasana ny faha 14 volana oktobra izao moa ny didim-pitsarana fampiakarana momba izao raharaha nitorian'i Bezokiny Christian Claude an'i Laisoa Jean Pierre dit Jaovato izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.