Fitsarana: Ady maloto tsaraina amin'ny ady madio

  • vendredi, 09 octobre 2020 14:58
  • Tigre

Mpandraharaha karana iray momba ny hazo ao Antalaha, Bezokiny Christian Claude no nitory mpandrahaha malagasy Laisoa Jean Pierre dit Jaovato monina ao Antalaha ihany koa, sady mpandrahara momba ny hazo, lavanila sy maro hafa.

Ny 07 aogositra 2020 ity karana mpanao bois de rose ity no nangataka tamin'ny fitsarana ambaratonga voalohany eto Antananarivo, na samy monina any Antalaha aza ny mpitory sy ny toriana, mba hanageja ny vola any amin'ny banky sy ny fananan'i Solombavam-bahoaka teo aloha Jaovato, fa nolazainy tsy nahaloa ny volany izay tombanany any amin'ny 1 585 408 000ar.

Raha ny taratasy nalefany teo anivon'ny Tribonaly hatrany, dia vola sandan'ny vidin'ny bois de rose namidiny tamin'ny novambra 2012 sy aprily 2013 io tsy voaloa io, ary manamafy ny fahazoan-dalana na agreement nomena azy ny taona 2007 ny nahafahany nanao izao famarotana hitakiany vola izao.

Nahazo rariny vonjy maika tamin'ny fitsarana ity mpandraharaha karana Bezokiny Christian Claude ity ny 21 aogositra 2020 hanagejana ireo fananana ireo, ka nametraka fepetra ny tsy maintsy anamafisana ny didy ao anatin'ny 2 volana.

Nanao fanoherana izany didy izany ny mpandraharaha Jaovato, ka nilaza fa tsy nanana anton-draharaha nifanaovana velively tamin'ity mpandraharaha karana Bezokiny Christian Claude ity mihitsy hatr'izay. Aiza hoy izy ny faktira momba izany bois de rose izany, aiza ny taratasy fanamarinana avy amin'ny fanjakana ny nahafahan'i Bezokiny Christian Claude hivarotra, hamindra sy hitatitra ireo bois de rose lazainy mitentina amina miliara ireo, izay tsy latsaka izany ny andramena 1000 isa. Iza ny fiara sy saofera, iza ireo dokera nibaby ireo andramena amin'arivony ireo, ary naterina taiza.

Nanamafy ny Solombavam-bahoaka teo aloha Jaovato, fa niasa nanao andramena ara-dalàna hatrany ny tenany, ary tsy niafina momba izany, satria nisy ny fanomezan-dalana ara-dalàna nomen'ny fanjakana tamin'ny 2009, izay tamin'io vidin'ny andramena io no nakana hetram-panjakana, nentina nampiodina ny fitondrana Tetezamita, nandoavana karaman'ny mpiasam-panjakana rehetra sy ny fampandehanana ireo sekoly sy hopitaly maro.

Ny taona 2011 anefa dia noraran'ny fanjakana ny famarotana sy ny fanetsehana ireo andramena ireo, araka ny didy hitsivolana, ordonnance 2011-001 ny 08 aogositra 2011, kanefa ity karana ity dia mitonon-tena eo anivon'ny fitsarana mihitsy hoe mbola nivarotra sy nanatitra bois de rose ny taona 2012 sy 2013.

Ny 07 septambra 2011 anefa, araka io didy hitsivolana mandrara ny famarotana andramena, izay manery ny mpandraharaha rehetra hanao fanambarana ny isan'ireo bois de rose mbola eny aminy, sy ny toerana misy azy, ka ho giazina tsy mahazo mihetsika intsony rehefa avy namarinin'ny fanjakana ny fanisana azy, dia nanao fanambarana i Bezokiny Christian Claude (370/DREF SAVA) fa mbola manana tahiry 11 971 rondins sy 5 028 plaquettes de bois de rose.

Ary Laisoa Jean Pierre dit Jaovato nanao fanambarana ny 08 septambre 2011 (132/DREF SAVA) fa manana tahiry 2 023 rondins sy 3 282 plaquettes de bois de rose.

Mipetraka izany ny fanontaniana, nahoana ny fitsarana aty amin'ny ady madio no manaiky hitsara raharaha fitakiana vola izay vokatry ny filazana mazava famarotana bois de rose taty aorian'ny didy mandrara ny famarotana sy famindran-toerana andramena, izay mampigadra 2 ka hatramin'ny 5 taona mihitsy?

Nahoana ny fitsarana no mamoaka didy fangejana fananan'olona amin'ny fitorian'olona milaza fa manam-bola aminy nefa na ny fahazoan-dalana nolazainy nanaovana ilay asa, dia fahazoan-dalana ny taona 2007, izay efa nofohanan'ny lalàna taty amin'ny taona 2009.

Aiza ny ministeran'ny tontolo iainana amin'izao toe-draharaha izao, mbola ao avokoa ary ve ireo bois de rose miisa 11 971 sy 5 028 plaquettes de bois de rose nanaovan'ity karana ity fanambarana ny taona 2011, satria izy nilaza fa mbola nivarotra ny taona 2012 sy 2013.

Nahoana no aty Antananarivo no nanaovana ny fitoriana, efa ho valo taona lasa, nefa samy monina any Antalaha, na ny mpitory na ny toriana?

Aiza ny Bianco, Samifin ary ny PAC na ny fitsarana manokana momba ny bois de rose amin'izao raharaha izao? Mbola hilaza mahefa ihany koa ve ny fitsarana ambony amin'ny ady madio amin'izao raharaha izao, nefa ity karana ity dia efa mitolo-batana milaza fa nivarotra andramena, na efa voararan'ny lalàna aza izany nanomboka ny taona 2011, izay mbola namafisin'ny Filoham-pirenena sy ny Minisitry ny Tontolo iainana fa tsy azo atao hatreto ny famarotana ireo hazo sarobidy, eny na ireo hazo fanaovana kitay aza mbola miantona avokoa amin'izao ny fanomezan-dalana, ary eo ampandinihina ny hamahana izany olana izany ny ministera ankehitriny.

Manontany tena ny mpanara-baovao politika amin'izao ankatoky ny fifidianana loholona izao, sy ny antsonjay atao amin'ireo mpandraharaha malagasy tsy miaraka amin'ny fanjakana ankehitriny izao, fifandrifian-javatra ihany ve, sa mitsipaka laka-nitàna, izay ireo mpandraharaha malagasy ireo no mamelona ny firenena amin'ny alalan'ny hetra maro aloa, mandoa ny karaman'ny mpiasam-panjakana?

Sa ve tany anjakazakan'ny mpandraharaha tsy maty manota ny eto amintsika, ka na efa mitolo-batana aza dia omen-drariny indray? Soa fa misy ireo mpandraharaha vahiny na mizaka ny zom-pirenena malagasy ihany koa no tena manao asa madio sy mamelona ny Firenena.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.