Manjakandriana: May ny ampahany maro amin’ny sekolin-dry masera Notre-Dame de Lourdes

  • samedi, 19 septembre 2020 21:50
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nirehitra ny sekolin-dry masera Notre-Dame de Lourdes Manjakandriana. Ankoson’aratra no ahiana no niandohan’ny afo.

Tsy manana mpamonjy voina ny tanànan’i Manjakandriana. Ny vahoka sy mpitandro ny filaminana ary ireo olom-panjakana ao an-toerana no nifanome tanana tamin-dry masera nifehy ny afo tsy niitatra.

Tao anatin’ny ora telo mahery vao voafehy ny afo.

Goavana ny fahasimbana tamin’ny trano sekoly ho an’ireo kilasy ambaratonga faharoa ; tsy voakasika ny lisea.
Tsy nisy ny naratra na aina nafoy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.