Campus Maninday - Toliara: Tranovondro 112 may kilan’ny afo

  • jeudi, 10 septembre 2020 21:30
  • Zakaria
  • Sary nindramina

May ny tolakandron’ity alakamisy 10 septambra ity ireo tranovondro, fonenan'ny mpianatra eny Maninday, Oniversite Toliara.

112 ny tranovondro may kila hotohoton’ny afo.

62 ireo mpianatra may trano teo an-toerana fa ny ambiny kosa dia mbola any amin'ny ray aman-dreny nandritra ny fihibohana saingy may avokoa ny entana tamin’ireo.

50 kosa ireo tranovondro simba na voatery noravaina nandritra ny famonoana ny afo.
Tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy.

Nafindra vonjimaika ao amin'ny Amphi ireto mpianatra 62 tsy manan-kialofana ireto.

Raha nandalo nitsidika ireo tranovondro ireo teny Maninday ny Minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa Pr Elia Béatrice Assoumacou tamin'ny volana martsa 2020 dia nilaza fa ao anaty tetikasan'ny ministera ny fanorenana trano fonenana ho an'ny mpianatra ka hatomboka alohan'ny faran'ny taona ny eo Maninday.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.