Fanahimanana Tiaray: Nametra-pialana tsy ho Tale jeneralin’ny Serasera

  • dimanche, 23 août 2020 17:04
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nitondra fiaram-panjakana nefa mamo. Nandona miaramila tamin’ny fiara nentiny, avy eo izy nitsoaka ary nifanenjehana ny fiara nentiny.

Santionany amin’ny zava-nitranga omaly 22 aogositra alina teny amin’ny lalana Ivato-Tsarasaotra io.

Fanahimanana Tiaray, Tale jeneralin’ny Serasera eo anivon’ny Ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina no nahavanon-doza.
Niparitaka tamin’ny facebook ny sary naneho ny ampahany tamin’ny zava-nisy.

Nanao filazana ho fanta-bahoaka amin’ny facebook i Fanahimanana Tiaray androany maraina, fa nisy miaramila voadonany tamin’ny fiara omaly alina. Ary « hadisoana nataon’ny vatatenako ilay izy », araka ny fiaikena nataony.

Nihazakazaka ny raharaha nanomboka teo. Nametra-pialana tsy ho Tale jeneralin’ny Serasera i Fanahimanana Tiaray taorian’izay, ary voalaza fa neken’ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina izany fametraham-pialany izany.

Nisy fihaonan’ireo namana sy mpiara-miasa amin’ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina teny amin’ny CEFOM (Centre d'Etudes et de Formation Multi-media) Maibahoaka Ivato teny ny omaly tolakandro, taorian'ny hetsika sosialy nataon'ny Ministera teny amin'ny EPP Antetezanafovoany.

Niara-nikorana teny Maibahoaka izy ireo tamin’ny nahavoatazona ny minisitra amin’ny toerany taorian’ny fanovana mpikambana ao amin’ny governemanta ny alakamisy 20 aogositra lasa teo.

Isany nandray anjara tamin’izany ny Tale jeneralin’ny Serasera. Niafara tamin’ny fahamamoana nitera-doza ny an’i Fanahimanana Tiaray. « Ny isaorana Andriamanitra dia tsy namoy ny ainy ilay olona. Marary ny lohaliny noho ny nahavoadona azy », hoy ity farany tao amin’ny fanambarana nataony.

Mpitsara i Fanahimanana Tiaray ary mambra ao amin’ny CSM (Conseil Supérieur de la Magistrature) na Filankevitra ambony ny Mpitsara.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.