Magro Behoririka: Nakaton’ny Fanjakana io tolakandro io

  • mercredi, 19 août 2020 18:14
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Namoaka taratasy datin’ny androany 19 aogositra 2020 ny Foibem-pitondrana ankapobeny momba ny hetra, milaza ny hanakatonana mandritra ny 15 andro ny tranombarotra Magro Behoririka, izay orinasa an’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Hetra tsy naloa, mitentina 71 762 792 066,14 Ariary no voalaza fa antony.

Notanterahin’ny fanjakana avy hatrany ora vitsy taorian’ny nivoahan’ny taratasy sy ny fampahantarana ny tompon'ny orinasa ny fanakatonana ny Magro Behoririka.

Mety hiitatra amin’ny Magro Fianarantsoa, Tiko Toamasina ary Tiko Andranomanelatra ihany koa ny fanakatonana.

Raha ny tetiandro voarakitra an-taratasy, dia mety hatao alohan’ny 25 aogositra 2020 ny fanakatonana Tiko Toamasina ary hatramin’ny 27 aogositra 2020 ny Magro Fianarantsoa sy Tiko Andranomanelatra.

Mpiasa aman-jatony maro no ahiana ho very asa, ary fianakaviana maro no hisedra olana ara-tsosialy aterak’izany amin'izao hamehana ara-pahasalamana izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.