Marovoay: Olona maro nidina an-dalambe androany

  • dimanche, 02 août 2020 13:27
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Andian’olona maro no nidina an-dalambe, nirohotra teny amin’ny biraom-panjakana sady nihorakoraka fa noana ka avelao hivarotra, hiasa hitady izay hohanina. Betsaka no tsy nanao aro-vava, ary tsy voahaja ny elanelana nandritra izany.

Tsy mbola ahitana tranga Covid-19 eto Marovoay, mihatra aty an-toerana kosa ireo fepetra amin’ny hamehana ara-pahasalamana iraisan’ireo Distrika enina ao anatin’ny Faritra Boeny, hifehezana ny fiparitahan’ny valanaretina coronavirus.

Miato ny fitaterana, na an-tanety na an-dranomasina na an-dranomamy. Mikatona amin’ny 1ora tolakandro ny toeram-pivarotana sy ny tsena…

Tsy mety amin’ireto andian’olona ireto anefa ireo fepetra ireo ka anisany anton’ity fidinana an-dalambe androany ity.

Nandamina ny mpitandro ny filaminana, ary dia nilamina ny tanàna taorian’izay.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.