Covid-19: Misintona lakolosy be ny Fiarovam-pirenena

  • mardi, 21 juillet 2020 10:18
  • Tigre
  • Tahirin-tsary fampiaingoana

Nisy ny tatitra sy ny fanadihadiana, nataon'ny Ministeran'ny Fiarovam-pirenena, izay nijanona ho tsiambaratelo amin'ny antanatoham-panjakana ny 18 jolay 2020, izay nandroso vahaolana ihany koa manoloana ity ady amin'ny Covid-19 ity.

Mazava ny nambarany fa miparitaka manerana ny Nosy ny aretina, ary Analamanga dia manomboka miditra amin'ny fifamindrana tsy voafehy, izay mety ilana fitsaboana mavesatra.

Nanambara ihany koa ilay tatitra, fa 80% n'ny mponina dia miaina amin'ny "izay ho anina androany tadiavina androany", ary ao anatin'ny sehatr'asa tsy ara-pajankana, indrindra fa ny varotra madinika.

Ireo orinasa vavety kosa, raha ity tatitra tamin'ny 18 jolay 2020 ihany, dia marefo dia marefo ankehitriny.

Ka ny fepetra fihibohana tanteraka dia mety ampisy fahasimbana lavitra noho ny valanaretina.

Nandroso vahaolana ny eo anivon'ny Fiarovam-pirenena ny andraisana an-tanana 100% ireo marary, ary ny hijerena ny fanampiana ny vahoaka izay tena latsaka ankaterena ao anatin'ny fahasahiranana.

Misintona lakolosy ny Ministeran'ny Fiarovam-pirenena, raha ity tatitra tsiambaratelo ity hatrany, fa mety ahiana arak'izany ny krizy ara-tsakafo, ny krizy maha olona, ka mety ampikorontana ny Firenena.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.