Antaninarenina: Mirehitra ny foiben’ny Office National pour l’Environnement

  • mercredi, 15 juillet 2020 21:59
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Lelafo manaka-danitra sy setroka be niainga avy eo Antaninarenina – Antananarivo no nanaitra ny mponin’Antananarivo tamin’ny valo ora sy sasan alina io. Mirehitra ny foiben’ny Office National pour l’Environnement na ONE, izay rafitra mamoaka ny « permis environnemental », iray amin’ireo taratasy ilaina mialoha ny hisokafan’ny orinasa na koa fitrandrahana harena ankibon’ny tany…

Baraingo hatreto ny anton’ny fahamaizana. Niainga avy any amin’ny rihana faharoa ambony ny afo.

« Manao izay ho afany ny mpamonjy voina mamono ny afo. Sarotra dia sarotra fa misy rivotra vao maika mampirehitra ny afo », hoy ny minisitry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy, Raharinirina Baomiavotse Vahinala. Efa eo an-toerana ihany koa ny mpitandro ny filaminana, hisorohana izay mety ho fanararaotana.

Efa nahazo fampandrenesana tamin’ny alalan’ny « mail » ny mpiasa tao amin’ny ONE, andro vitsy lasa izay mba tsy hisy hiakatra hamonjy ny toeram-piasana taorian’ny fisian’ny mpiasa tao voamarina fa voan’ny Covid-19.

Mifanila amin’ny Paierie Général na Trésor Antaninarenina sy ny biraon’ny Paositra misy ny ministeran’ny Paositra sy fifandraisandavitra ary ny fampiroboroboana ny Nomerika ity tranon’ny ONE may ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.