Antenimierandoholona: Namoy ny ainy ny Loholona Razafindratovo Ravololonirina Émilie

  • mardi, 23 juin 2020 09:54
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nodimandry omaly ny Senatera Razafindratovo Ravololonirina Émilie. Voafidy tao amin’ny Faritany Antsiranana, avy amin’ny antoko Leader Fanilo izy. Iray amin’ireo vehivavy senatera miisa 12 tao amin’ny Antenimierandoholona.

Vady andefimandrin’i Jean Max Rakotomamonjy, filohan’ny Antenimieram-pirenena teo aloha, ny loholona Razafindratovo Ravololonirina Émilie.

Hiala eto Antananarivo anio Talata 23 jona 2020 ny razana rehefa avy ho entina ao amin'ny Lapan'ny Antenimierandoholona Senat Anosikely, ary hiazo an’Andevoranto Brickaville. Ny alarobia 24 jona 2020 no atao ny fandevenana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.