Mahery Lanto Manandafy: Navotsotra taorian’ny telo andro nitazomana am-ponja azy

  • lundi, 22 juin 2020 18:50
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nivoaka ny fonjan’Ambalatavoahangy Toamasina androany Alatsinainy 22 jona 2020 i Mahery Lanto Manandafy. Ny zoma 19 jona 2020 ity farany no notazomina am-ponja vonjimaika tao noho ny fitoriana nataon’i Dr Benessy Harison Sébastien, Senatera amperinasa sady Talen’ny OMSI (Organisation Médico-Sociale Interprofessionnelle) Toamasina, azy noho ny fanalam-baraka ampahibemaso nampiasana fitaovana informatika.

Fotoana fohy taorian’ny nivoahany ny fonja dia nanao fanambarana tao amin’ny pejiny facebook i Mahery Lanto Manandafy, zanaka lahin’ilay mpanao politika goavana sady filohan’antoko, Manandafy Rakotonirina.

Tamin’izany no nisaoran’i Mahery Lanto Manandafy ireo rehetra nanohana azy tamin’ny serasera na haino aman-jery sy gazety, ireo nanampy azy « nanatitra sakafo, kidoro, lamba, akanjo, vatsy. Tonga tao na ny mpanohitra na ny mpanohana ».

« Momban'i Docteur Benessy, efa nataoko ihany moa ilay izy ny andron'iny fa mbola mamerina fialantsiny ampahibemaso eto ary miombon-kalahelo amin'ny voina nahazo azy. Saingy na izy aza tsy nahalala akory hoe : « transféré » aty Toamasina aho », hoy hatrany i Mahery Lanto Manandafy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.