Ambohimanambola – Antananarivo : Nitrangana haintrano tao amin’ny magasin Société Focus

  • jeudi, 11 juin 2020 20:27
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nitrangàna haintrano tao amin'ny magasin Société Focus teny Ambohimanambola, Distrika Antananarivo Avaradrano androany atoandron’ny alakamisy 11 Jona 2020. Ankoson'aratra no nihaingan'ny loza raha ny filazan'ny tompon'andraikitry ny orinasa.

Tonga ara-potoana ny mpamonjy voina, nifarimbona tamin’ny famonoana ny afo koa ny miaramila avy ao amin’ny Rezimanta Vonjy Voina, na Corps de Protection Civile, nanampy ireo niharam-boina. Maty ny afo teo amin'ny 12 atoandro latsaka teo.

Betsaka ny simba sy may ny trano sy ny fitaovana, ary ireo sigara maro tao anaty magazay

Misokatra ny fanadihadiana ary ambenana ireo entana sisa tsy may.

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.