HJRA Ampefiloha: Natokam-ponenana ny mpitsabo, mpiasa ary ny marary rehetra ao amin’ny sampana mitsabo ny homamiadana

  • mercredi, 13 mai 2020 11:36
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Mikatona nanomboka ny 11 may 2020, sady tsy mandray marary no tsy manao asam-pitsaboana ny service Oncologie, itsaboana ireo olona voan’ny homamiadana ao amin’ny HJRA Ampefiloha. Tsy mbola voafaritra ny fotoana hisokafany indray. Misy ny Naoty manamafy izany.

Natokam-ponenana « mise en quarantaine » tsy afa-mivoaka ihany koa ireo mpitsabo, mpiasa ary ny marary rehetra ao amin’io sampana mitsabo ny homamiadana io, nanomboka ny 11 may teo.

Araka ny loharanom-baovao dia nisy marary voan’ny homamiadana avy any Toamasina niditra hopitaly tao amin’ny HJRA ary niditra tao amin’io servisy « Oncologie » io tamin’ny Alakamisy 7 may 2020. Nakana singa natao fitiliana izy ny zoma 8 may 2020, ary iraka avy ivelany manao ireny « combinaison » EPI fotsy ireny no nanatanteraka izany. Tsy tana anefa ny ain’ilay marary fa maty ny Sabotsy 9 may 2020.

Tonga amin’izao fandraisana fepetra nanakatonana ny servisy izao ny raharaha, tsy mandray marary avy ivelany, ny tao anatiny tsy afa-mivoaka mandrapaha.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.