Arphine Rahelisoa: Nivoaka ny fonjan'Antanimora nitazomana azy

  • lundi, 04 mai 2020 16:54
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nivoaka ny fonja androany alatsinainy 4 mey 2020 i Arphine Rahelisoa, mpanao gazety talen'ny famoahana ny gazety an-tsoratra Ny Valosoa Vaovao.

Ny 4 aprily 2020 izy no niditra am-ponja vonjimaika rehefa nenjehina ho mitarika olona hankahala ny filohan'ny Repoblika. Tsy mbola voatsara izy tao anatin'izay iray volana tany am-ponja izay.

Nanao fanambarana ny filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina ny harivan'ny 3 mey 2020, Andro manerantany ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety, manafaka ireo mpanao gazety voatazona am-ponja.

Teny fohy dia ny "faly, tena faly aho" sy ny fisaorana ny rehetra, indrindra ny firaisankinan'ny mpanao gazety, hoy i Arphine Rahelisoa rehefa voarainy ny taratasy milaza fa mivoaka izy, ary notsenain'ny zanany, havany ary mpanao gazety maro teo ampivoahana ny fonja.

Nanamafy i Arphine Rahelisoa fa mbola hanohy ny asa fanaovan-gazety.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.