Ambanja: Tazomina am-ponja ny 4 tamin’ireo 25 voarohirohy tamin’ny famonoana Polisy

  • vendredi, 01 mai 2020 11:18
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nanodidina ny tamin’ny 11ora alina, omaly alakamisy 30 aprily 2020 vao vita ny fanolorana teo anivon’ny Fampanoavana, eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Ambanja, ireo 25 lahy voarohirohy tamin’ny famonoana ka nahafaty Polisy iray, AP2 Léonard Jean Patrick, Polisy miasa ao amin’ny Kaomisaria Ambanja, sy nandratra roa hafa tany Antsifitry Kaominina Benavony, Distrika Ambanja ny sabotsy 25 aprily 2020 lasa teo.

Tazomina am-ponja vonjimaika ny 4 ary nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny 21 tamin’ireo 25 voarohirohy tamin’iny raharaha iny.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.