Ady amin’ny kolikoly: Hanao fianianana rahampitso ny Tale jeneralin’ny Bianco, Andrianirina Laza Eric Donat

  • lundi, 05 août 2019 17:30
  • Sary nindramina

Hotanterahina ao amin’ny Fitsarana Tampony, rahampitso talata 6 aogositra 2019, ny lanonana ara-pitsarana handraisana ny fianianan’i Andrianirina Laza Eric Donat mialoha ny handraisany feno ny asa aman’andraikitra maha Tale jeneralin’ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly (Bianco) azy.

Nandritra ny filankevitry ny minisitra tamin’ny 25 jolay 2019 no nandraisana ny didim-panjakana fanendrena an’i Andrianirina Laza Eric Donat ho Tale jeneralin’ny Bianco.

Kolonely teo anivon'ny Zandarimariam-pirenena izy no niala rehefa niasa tao amin'ny Bianco. Administratera sivily, mpahay lalàna ary efa lehiben'ny sampana mpanao fanadihadiana (Chef de division investigation) tao amin'ny Bianco Mahajanga izy.

I Andrianirina Laza Eric Donat no mandimby toerana an’i Andriamifidy Jean Louis, izay tapitra tamin’ny 24 jona 2019 ny 5 taona tsy azo havaozina, ny fe-potoana iasan’ny Tale jeneralin’ny Bianco.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.