« Collectif des Professeurs Titulaires et Professeurs des Universités de Madagascar » : Tsy tombontsoan’ny Malagasy ny mbola hisian’ny kirizy lavareny eto Madagasikara

  • mardi, 24 avril 2018 19:12

Fahavalo hiombonana, hoy ny fanambaran’izy ireo, ny fahantrana mianjady amin’ny firenena, koa miangavy ny ankolafin-kery politika rehetra eto amin’ny firenena mba samy hametraka ny hampombony, ka hiray latabatra mba hamahana aingana farany izay haingana ny olana ara-politika misy, mba hahafahana miroso amin’ny fifidianana madio sy mangarahara ary miainga amin’ny fanajàna ny Lalampanorenana.

Lalàm-pifidianana mikendry izay isian’ny fifidianana malalaka sy mangarahara, ihany koa hoy hatrany ny« Collectif des Professeurs Titulaires et Professeurs des Universités de Madagascar » no hahafahana mampisy fitoniana ara-politika eto amin’ny firenena. Fitoniana ara-politika izay ilaina hampiroborobo ny sehatra samihafa rehetra ho fampandrosoana ny firenena.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.