Andranomanelatra: Nanaovan'ny Fanjakana bemidina ny TIKO Triple A

  • mercredi, 13 décembre 2017 17:11

Nitarika ny ira-panjakana ny Prefen'Antsirabe, ary nahitana ny lehiben'ny EMMO-Reg ary ny Ben'ny Tanànan'Andranomanelatra. Nanamafy ny fanakatonana ny orinasa TIKO Triple A, izay raha ny fantatra dia nanohy mangingina ny famokarany tao.

Mitranga izany iray andro taorian'ny nankalazan'i Marc Ravalomanana ny faha-68 taonany sady nanaovany fanambarana fa "hitondra fanantenana ho an'ny vahoaka malagasy ary hanao avo folo heny noho izay fampandrosoana efa vita".

Mpiasa aman-jatony indray izany no hanampy ireo Malagasy very asa amin'izao ankatoky ny Krismasy sy fety faran'ny taona izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.