Fitadiavana asa: Tolotra fahaizana fa tsy talao fangatahana

  • lundi, 22 juillet 2019 08:26
  • Super User

Maro isika no mandefa hafatra aty amiko mitady asa, rariny loatra izany, hatreto dia tsy manana asa atolotra aho.

Fa toro-hevitra no omeko, rehefa mitady asa, dia aza mitalao sy mitantara ny fijaliam-piainana rehetra amin'ny olona hitadiavana asa.
Fantatry ny tompon'ny orinasa, fa matoa mitady asa, dia mila karama mifanentana amin'ny asa hiatrehana ny fiainana.
Fa tsy ny fitalahoana akory no ampihetsim-po ny mpampiasa ka alahelo anao izy dia omeny asa ianao.

Vao maika atahorany ny olona be problema sa hitarika problema ho azy ihany koa, izy koa efa tototry ny problemany ampandeha ny orinasany.

Rehefa mitady asa, dia eritrereto fa mitovy ianao sy ny mpampiasa, izy mila ny fahaizanao ampandehanany ny orinasany, ianao kosa miandry tambiny amin'ny asa sy fahaizana omenao azy.

Omeo azy ny CV nao izay mifanentana amin'ny asa tadiavinao, fa tsy hoe ity ny CV sao misy metimety aminao amin'io.

Aza kivy na izany aza, fa esory an-tsaina ny mitalao rehefa mitady asa, olona matanjan-tsaina no ilain'ny orinasa.

Ianao no andrasany hamaha ny olany, fa tsy ny olana avy aminao no ho vahany.

Mirary soa.
Patrick

(Tahirin-tsary Pêche et froid Antsiranana)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.