Banky KGB

  • mercredi, 12 juin 2019 08:40
  • Super User

Amin'izao dia izay mpanao politika rehetra, fonctionnaires ambony, DG na directeur na cadre ambony orinasa dia antsoin'ny banky hoe "Client sensible", ka dia arahi-maso avokoa ny kaontiny amin'ny banky, na ny miditra na ny mivoaka.

Misy kaomisionina manokana mihitsy ao amin'ny banky mijery izany ary mandefa ny momba ny mouvement bancaire rehetra any amin'ny fanjakana.

Na vola kely aza dia mety hitakiana justificatif.

Mety hiteny isika hoe raha vola madio sy tsy nangalarina kosa ve maninona raha izay no ahafaka ny kolikoly ?

Mety marina izany fa misy ny antsoina hoe secret de la vie privée sy ny liberté ary ny droit malagasy dia droit positif, fa tsy inversion de charge, izany hoe, eo anatrehan'ny lalàna dia olomarina sy tsy meloka avokoa ny rehetra, fa rehefa misy mitory na misy zavatra very na nangalarina, dia anjaran'ny mpitory no mitondra porofo fa meloka ilay olona, fa tsy anjaran'ny toriana no mitondra porofo fa tsy meloka izy.

Ny clients sy fournisseurs nao rehetra izany sy ny transaction ataonao rehetra dia miboridana vakian'ny mpitondra, nefa koa mpitondra mibizina sy manao ramatahora.

Ny mampatanjaka ny firenena iray, toa ny Suisse, Maurice, dia ny secret bancaire, fa rehefa tsy atokisan'ny mpandraharaha ny banky eo aminao dia adieu veau vache cochon fa eo ianao no raisina.

On fait tout à l'envers chez nous.
Mahereza.
Patrick

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.