Iza no tonga nifidy?

  • mardi, 28 mai 2019 10:27
  • Super User
  • Sary Gasypatriote

Isan'ny voasoratra: 621

Tonga nifidy: 59
Vato fotsy sy vato maty: 2
Vato manankery: 57

Tahan'ny fandraisana anjara 09.50%

Vato azon'ny kandida A: 28 (28/57x100= 49.12%)
Vato azon'ny kandida B: 13 (22.81%)
Vato azon'ny kandida D: 16 (28.07%)

Lany Solombavam-bahoaka ny kandida A; apoaka champagne.

Rehefa tena atao anefa ny kajy ny fitiavam-bahoaka azy hitondra ny teniny dia

Kandida A: 28/621 x 100 = 4.51% n'ny vahoaka no mankatoa azy.

Ka nareo, hoy ny mpomba azy, tsy te andeha hifidy hanefa adidy ka, izay ny demokrasia, zay lany dia lany.

Ka mahereza e, efa lazaina foana fa misy olana goavana ao, fa tsy misy mihaino, fa andao ihany e, même cause même effet, hoy ny matematisianina, rehefa mitovy ny antony, dia mitovy hatrany ny vokatra azo.
Dia aza gaga e, tsy misy mazia mazia io, fa dia i Kotozafy ihany no Lexisy.

Filoham-pirenena lany 21% n'ny Malagasy no nifidy azy, ny solombavambahoaka lany 10%, dia mbola mety ihany izany, vive la démocratie. "Ataoko fa efa zay foana hatr'izay, vitsy foana ny tonga rehefa député no fidiana", hoy ny sasany, "andro alatsinaina, dé lava ny week-end" indray hoy ny hafa, "avy be ny orana hoy koa ny sasany", "leo politika zahay" avalin'ny hafa, "izy no mahita tombony fa zahay atao tohatra fotsiny ndray, nefa izy no mitaingina V8" hoy ny hafa ". Mahita anilihina ny olana hatrany.

Efa ela aho no tsy resy lahatra amin'ity "démocratisme" hafahafa vatsian'ny vahiny vola ity.
Ny fifidianana ihany no atao vahaolana amin'ny rehetra, dia asesika sy atao Tip Top eo daholo, fa any aoriana ve tsy hita eo ihany izay anatsarana azy?

Tsy menatra, fifidianana filoham-pirenena, solombavambahoaka, dia inona koa ny manaraka, Ben'ny Tanàna sy Ragôva dia mbola ny vahiny ihany no ametraka sy hamatsy vola azy.

Dia hifandramatra eo foana sy hilaza fa zaho no nahavita betsaka noho ny taloha, tsy nisy vitan'ireo nitondra efa 58 taona, dia samy andoko amin'ny loko politikany ny EPP sy CEG sy ny Stade, dia samy hifanagadragadra eo hatrany, "zahay zao no mitondra, anga io volan'ny babanao, fa nareo mpanohitra, dé rehefa nareo indray no mitondra dé atovy zay ataonareo, mpanenjika touzouro afara".

Alefa Parsonnne eee.

Io tsy hinanako goavy manta miaro sira sy sakay io, mora atelina fa ny ampiboahagna azy mbola babandraha.

Comme disait Mugabe, "Avant d'avaler une noix de coco, assures-toi bien de ton anus".

Mirary soa.
Patrick

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.