Kajy tsotra kely : Miteraka fatiantoka ny embouteillage

  • mardi, 26 février 2019 06:41
  • Super User

Karama 200 000ariary isam-bolana

Miasa 8 ora isan'andro x 5 = 40 ora isan-kerin'andro
Miasa 160 ora isam-bolana
Karama= 200 000 ar / 160 ora= 1250 ariary ny vidin'ny iray ora.

Transport ratsy, lalana mandeha miasa ratsy, embouteillage 2ora mandroso - 2ora mody= 4 ora ariana tsy miasa.

Very vola 1250 ariary x 4 ora= 5000 ariary isan'andro
Very 5000 ariary x 20 andro fiasana= 100 000 ariary isam-bolana.

Raha ny Antananarivo renivohitra fotsiny izany no jerena, raha 500 000 no isan'ny miasa (1/3 mponina) dia fatiantoka eo amin'ny toe-karena :

100 000 ariary x 500 000= 50 miliara ariary isam-bolana, na 600 miliara ariary isan-taona, na ny 10 % tetibolam-panjakana, vao Antananarivo renivohitra fotsiny, nefa ny tahan'ny fitombon'ny harikarena tsy misy 1 % akory, ka fandrosoana inona no ho hita eo ?

Ny lalana ve raha atao tsara, asiana feu rouge, amboarina ny lalana manokana taxi, taxi-be, moto sy bisikileta, ny an'ny mpandeha tongotra, dia tsy ho vitan'io 600 miliara ariary ariana io ?
200 km fotsiny ny lalana rehetra eto Antananarivo, 30 % n'ny viditsolika no hetra.

Solika lanin'Antananarivo 23 000m3 isam-bolana, raha heverina ny antsasak'io no lanin'Antananarivo renivohitra dia 10 millions litre isam-bolana, raha1000 ariary isaky ny litatra ny hetra dia 10 miliara ariary isam-bolana ny vola azo amin'ny solika. 60 miliara ariary hetra 6 volana. 300 millions ariary na 1.5 miliara fmg isaky ny km, no azo avy amin'ny solika dia vita ny lalana, tsy mila mpamatsy vola izany.

Tadidio izany fa isaky ny mividy solika 1 litre ianao dia 1000 ariary amin'iny tokony nanamboaran-dalana andehananao. Tsy maimaim-poana izany ny fampiasanao io lalana io fa efa nandoavanao sarany, izay tsy natao akory, io ilay tokony hiditra amin'ilay kitapom-bola hoe FER na Fond d'Entretien Routier.

Mirary soa.
Patrick

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.