Sinton-kevitra enti-matory Zandry

  • dimanche, 10 février 2019 00:00
  • Super User

Raha ny fahafantarako anao Zandry dia tsy mbola matory ianao amin'izao ora efa hisasak'alina izao, fa mbola miasa, ary tena mitady izay hevitra rehetra ampandrosoana ny Firenentsika.

Tsy hiadian-kevitra izay, ary fantatro fa tsy niova amin'izay tanjona izay ianao.

Misintona hevitra kely anefa aho. Taorian'ny Fianiananao tetsy Mahamasina dia nanaiky anao avokoa ny rehetra, na dia teo aza ny samboaravoaran'ny resaka vokam-pifidianana, tsy hiverenana intsony iny.

Fantatro ianao fa olona tena mijery ny zavatra na faran'izay bitika aza, anisan'izany ny fitafy anaovanao, ny fihetsikao. Nahafinaritra ahy manokana ny nanaovanao nœud sy lobaka fotsy, tsy nisy loko politika, ary namafisinao izany tamin'ny kabary izay nataonao, fa ho Filohan'ny Malagasy rehetra ianao, na ny nifidy anao na ireo nanana safidy hafa hoy tsara ny teninao. Nolanjalanjainao mihitsy aza ny teninao ka tsy nilaza ianao hoe ireo izay nifidy ny mpanohitra anao, mba tsy hilazana hoe ireo adversera politikanao.

Somary gaga anefa aho fa vao nivoaka voalohany tany atsimo ianao, dia nanao kiravaty volomboasary, ary dia nanangaranga ilay tanana V famantarana ny antokonao sy ny tolona nataonao ny taona 2009.

Nianavaratra indray ianao, dia nolokoinao ny volomboasary mihitsy ny fiaraben'ny BNGRC, ary nesorinao ny soratra teo fa nosoloinao ny sceau de l'Etat Malagasy, izay matetika ataonao foana moa izay, na ny sainam-pirenena aza dia mbola tovananao iny sceau, na ilay fitombokase famatarana Fanjakana iny, izay tsy tokony atao izany.

Anisan'ny nanaitra ahy, ary hisitomako hevitra izao alina izao kosa Zandry ny fanateram-bonikazo, ny hetsika rehetra, ny kabary, natao ny 07 febroary 2019, tetsy Ambohitsorohitra.

Sanatria, tsy manamaivana ireo maty sy niaram-boina tamin'iny vanim-potoana iny akory sanatria, hifonako amin'ireo havan'ny maty sy naratra, fa Filoham-pirenena ianao Zandry, Filohan'ny Malagasy rehetra, fa tsy mpitari-tolona 2009 intsony. Mety afaka nomarihina iny daty iny, fa olon-kafa no nalefanao nametraka ny fehezam-boninkazonareo mivady.

Aza adino, fa raha ny tantaran'ny Firenentsika dia tsy ny 07 febroary ihany raha ny isan'ny maty no jerena.

Tsy hiverina lavitra, fa tamin'ny 1972, dia maro ireo maty sy naratra, izay tantara lehibe iny, ary isaorana anao namita ny Hotel de ville, na volan'iza aloha no niasa teo na an'izy dia tamin'ny andronao no nahavita azy, nampalahelo fa nesorina teo ny Tsangam-bato fahatsiarovana ireo maty tamin'ny taona 1972, fa nosoloina io dobo misy rano eo afovoan'ny Avenue, izay amonoana ny anaran'ny 13 mey, fa novaina Parvis, ary nofefena sy natao andry maso tsy azo anaovana hetsika politika, satria toerana mampirodana Fanjakana, ianao aza niverina teo ny 21 avrily 2018, izay nanafaingana ny nahazoanao fanjakana, ary nisy maty koa aza teo tamin'izay.

Nisy ihany koa efa ho 3000 ny maty tany Atsimo, tany amin'ny Faritra Antanimora nisy an'ingahy Monja Jaona, tsy misy mahatsiaro izy ireny. Nisy ny nahafatesan'i Federalista Laha Gaston teny Soanerana.
Nisy ny raharaha 10 aogositra teny Iavoloha, nanaovana Tsangambato teny Antanimena ihany koa tamin'i andron'i Filoha Zafy Albert, fa tonga ny Tetezamita andronao, dia nesorina izany fa dia nosoloina io dobon-drano lehibe sady rond point Antanimena io indray.

Raha ny maty tamin'ny krizy 2002, hatrany amin'ny Faritany rehetra tany dia efa mihoatran'ny 2000 fa tsy misy miresaka.

Ny tetsy Ambohitsorohitra dia teo amin'ny 28 ihany, misy milaza fa 48, tsy hoe sanatria maivana izany hoy aho, fa aza atao mitanila, fa Filohan'ny Malagasy rehetra ianao. Nampalahelo aza fa tsy navela hiditra tao amin'ny fanamarihana manokana teo antokotaniben'ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra aza ny sasany tamin'ireo AV7, izay tsy niara-dalana taminao intsony taty aoriana, nefa kosa nahadiso azy ve izany? Satria dia tafiditra mpiasam-panjakana ny maro tamin'ireo mpitolona 2009 naratra, na havan'ny maty, noho izay fanapahan-kevitra noraisiny hiaraka tamin'ny mpitondra tamin'izay, nefa moa noraisinao ho mpamadika izy ireny, eny hatramin'izao matoa noraràna tsy navela ankalaza ilay andro nahafaty ireo havany aza.

Ny 26 janoary 2009 aza mbola faty olona maro tamin'ireny trano may sy magazay rava ireny, marina mety nisy fandrobana fa vokatry ny krizy 2009 daholo ireny.

Faranako ny resako Zandry, araraoty ny fahanginan'ny mpanao politika maro amin'izao, tsy resaka seza, maro ny tsy mitady an'izany, avondrony ny olona, atomboy aminareo samy Filoha, na ianao amperin'asa na ireo Filoha teo aloha, raiso izay hevitra sy lalana hitan'izy ireo, tsy misy hisalotra voninahitra aminao izany ireo raha tafitanao ny Velirano nataonao. Maro ireo Malagasy mahay, mety mahita lalana, antsoy izy ireo, aza menatra na be ambom-po amin'izany. Tsy hanao fahagagana na magie izany ianao ka hisy mana iraraka hanatanterahina ireo asa goavana marobe ireo. Tsy vola ihany no ilainao fa ny adhésion na fiaraha-mientan'ny olona amin'ny fanovana goavana tianao atao, na ny expropriation na fakana ny tanin'olona fotsiny aza dia efa hiteraka krizy sosialy lehibe raha tsy miara-miraikipo amin'ny rehetra ianao.

Ka lasa fanavahana ny hafa ny fanaovanao fihetsika mampatsiahy ny antokonao sy ny tolona nataonao.
Ajanony amin'izay ny fankalazana ny fandresena isam-paritra, efa lany ianao, vita ny fety fa asa izao no andrasana fa tsy kabary sy fihetsiketsehina resaka plaque rouge fotsiny, na conseil des ministres isan'andro, misy ny maratra, sy tra-doza, ianao no ilain'olona sur terrain.

Tandremo Zandry, ajanony ity fanagadragadrana ity, tsy ahasoa anao io. Akisao ireo namana tsy voafehy.

Averiko ihany, tsy mitady raharaha, na mitady seza aminao ny ilazana izany fa Tanindrazana iaraha-manana izy ity, samy dodona te ahita an'izany Miami, building, Tanamasoandro, autoroute, Tramway, sécurité, fahasalamana, EPP, CEG ary Lycée raitra, Université moderne, lalana vita tsara, fahaleovantena ara-tsakafo, arak'ireny Velirano nataonao ireny.

Ampihavano ny rehetra, fa tsy hoe mangina ny rano ka tsy mahafaty.

"Ny ranomasina ny valaparihiko" hoy Andrianampoinimerina izay.
Fantatro fa ho vitanao io Rovan'i fanjakana Merina io, fa vitao ho lasa Rovan'ny Malagasy rehetra, ataovy manahaka izay koa ny fitondrana fanjakana entinao, ho fanjakana ho an'ny Malagasy rehetra tsy ankanavaka, ho mariky ny fihavanana ankalazantsika ny faha 60 taonan'ny Fahaleovantena, ka atsaharo ny filazana fa tsy nisy vitan'ireo mpitondra nifandimby nandritra ny 58 taona lasa.

Mirary soa.
Patrick

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.