Harokelin'ny fianakaviana: Rariny ilay vina ampakatra ny SME (na SMIG) ho 200 000 Ar, na dia tsy ampy lavitra aza

  • vendredi, 01 février 2019 09:27
  • Super User

Ho ana tokantrano misy olona 5, izy mivady miampy zaza 3, ny iray ihany no miasa, toy izao ny teti-bola ambany indrindra isam-bolana:

- Hofan-trano - Efitra 2 = 150 000 ariary
- Jirama na fatsakana rano sy labozia = 30 000 ariary
- Vary 2kg/j x 30 = 60 kg x 2 000= 120 000 ariary
- Sakafo 3 000 ar/j x 30 = 90 000 ariary
- Saribao 2 gony x 15 000 ar= 30 000 ariary

Totaliny: 420 000 Ariary

Ajanona eo, mbola eo ny saran-dalana ho an'izay miasa sy mianatra lavitra, ny akanjo, ny fanafody, ny kojakoja ilaina, ny crédit téléphone, ny rakitra sy adidy amin'ny fiaraha-monina, ny écolage sy ny fianaran'ny ankizy.

Tsara ho fantatra, fa ny 50% n'ny vola azonao dia andoavana hetram-panjakana avokoa.
20% IRSA, hetra alaina amin'ny karama mihoatran'ny 250 000ariary, mbola eo ny Ostie sy Cnaps, misy ampahany 1% aloan'ny mpiasa ary ny 5% alohan'ny mpampiasa amin'ny Ostie, raha 1% an'ny mpiasa ary 13% no aloa amin'ny Cnaps.

Etsy ankilany 20% ny TVA, alaina isaky ny mividy entana ianao, izany hoe mividy savony 500 ariary ianao, dia ny 100 ariary amin'iny an'ny fanjakana.

Izay mividy solika dia misy karazan-ketra alaina ihany koa, raha mividy lasantsy 1 litatra 4 200 Ar, dia ny 1 511 Ar ny hetra alaina (Taxes et Redevances 36%), raha gazoala 1 litatra amin'ny vidiny 3 550 Ar dia 968 Ar ny hetra alaina (27%), ny solika fandrehitra na pétrole lampant kosa dia 2 630 Ar ny litatra, ary 20 Ar ny hetra na 1% amin'izay an'ny fanjakana.

Izany hoe raha miasa 6 andro ianao hatramin'ny sabotsy, dia ny alatsinainy, talata, alarobia dia an'ny fanjakana avokoa izay, ny hatsebohanao ny alakamisy zoma ary sabotsy no anjaranao.

Raha lanianao amin'ny vendredi magnifique izany ny andronao anio zoma, dia ny 2 andro ihany no hivelomanao, raha mbola tsy miasa koa ianao ny sabotsy, dia 1 andro amin'ny herinandro ihany sisa ny miditra aminao. Raha mbola fady miasa talata gorôbaka, dia eny ambany tunnel sisa ahitana anao.

Mirary soa
Patrick

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.