Côte d'Ivoire: Petit Paris no niantsoana azy

  • jeudi, 17 janvier 2019 10:17
  • Super User
  • Sary nindramina

Amin'ny maha Ivoire azy izay, tandroka éléphant, dia io no famantarana ity firenena afrikanina, manana velarantany 322 462km² (atsasaky Madagasikara), ary misy mponina 27 millions tamin'ny taona 2017 (mitovitovy isa ami'ny Malagasy).

Ny kafé, cacao, hazo no tena mampatanjaka ny toe-karen'ny Côte d'Ivoire.

Teo ambany vahoan'ny Frantsay izy ny taona 1843 (sous protectorat), ary nozanahany mihitsy ny 10 mars 1893, taloha kelin'ny Madagasikara, ary taty amin'ny 7 aogositra 1960 vao nahazo fahaleovantena. Nijanona hatrany tamin'ny Franc CFA, izay miankina amin'ny vola frantsay izy mandraka ankehitriny.

Mpikambana ao amin'ny Firaisambe afrikanina ity firenena ao andrefan'ny Afrika ity, mahazo ny ranomasina atlantika ny aty atsimo, Mali sy Burkina Faso kosa no mifanila aminy ao avaratra, ary Liberia sy Guinée no ao andrefana, raha toa ka i Ghana no mpifanila vodirindrina aminy ato atsinanana.

Abidjan no renivohitry Côte d'Ivoire izay ahitana ireo andrim-panjakana samihafa, raha toa i Yamoussoukro ny renivohitra ara-politika sy ara-panjakana (capitale politique et administrative).

Andao hiarahana mijery ary ny any Côte d'Ivoire. Fehezo ny fehikibo.

Niainga teto Madagasikara aho hiazo ny Côte d'Ivoire, andeha hampanao fampiofanana momba ny fitantanana mangarahara.

Tsy misy sidina mivantana fa nandalo tato Nairobi Kenya, dia ny ampitso vao maka ny Air Afrique hihazo an'ny Côte d'Ivoire.

Betsaka ny Compagnie hitako, fa dia ity Air Afrique ity no ratsy indrindra maneran-tany.
Raha tsiahivina, dia taorian'ny nahazoan'ny firenena afrikanina fahaleovantena, indrindra ireo niala tamin'ny Frantsay, dia Madagasikara nanana ny Compagnie Air Madagascar izay nanjaka tokoa taty amin'ny faritry ny ranomasimbe indiana, fa Air Afrique kosa dia nitambaran'ny Firenena 11 tatsy Afrika (Cameroun, Sénégal, Côte d’Ivoire, République Centre Africaine, Bénin, Congo-Brazzaville, Burkina Faso, Mauritanie, Niger, Tchad, Gabon), samy nanana petrabola 6.54% avy ireo Firenena ireo, ary tao Abidjan Côte d'Ivoire no foibeny.

Samy manome mpiasa hiasa amin'io orin'asa Air Afrique io avokoa izany ireo Firenena 11 ireo, mba tsy hilazana hoe ireo mpitondra ireo firenena afrikanina 11 ireo. Ka dia ry zanakanabavy sy rahalahy ary zoadahy avokoa izany no miasa ao. Ny mpanamory ihany no voatery manana qualification satria misy lalàna iraisam-pirenena mifehy azy, fa ny ankoatr'izay dia kolikoly sy ny mahitahita avokoa.

Alohan'ny hiala taty Madagasikara, dia tsy maintsy manao vakisiny rehefa andeha any Côte d'Ivoire, anisan'izany ny fièvre jaune, ny typhoïde sy ny karazany maromaro, mahazo Carnet jaune izay. Aza misaraka an'io Carnet de vaccination internationale io rehefa andeha any Afrika. Ao amin'ny institut d'hygiène Analakely akaikin'ny JJ Rabearivelo no manao azy.

Air peut-être ihany koa i Air Afrique, tsy marim-potoana. Tonga tany andro harivariva izahay. Lehibe ny aéroport, tsy Afrika noeritreretina intsony ny fitazana azy.

Vao nidina ny fiaramanidina anefa aho, dia efa nisy polisy nangataka vola fa hikarakara hono izy. Nitsiky fotsiny aho, sady namaly azy fa ny ambassade no hitsena ahy, niova tampoka ny endriny, hatramin'ny salut nienjana tsara avokoa. Zavatra tsy tiako mihitsy io kolikoly io.

Kanjo vao afaka ny douane aho dia mandalo service sanitaire manao fanamarinana ilay vaksiny sy carnet jaune, aiza hoy izy ny vaksiny TAB. Tsy nisy an'izay hoy aho ny lisitra nomen'ny ambassade ahy sy ny service sanitaire tany aminay. Tsy mahazo miditra aty ianao hoy izy raha tsy vita izay vaksiny izay. Ka misy anga hoy aho ao aminareo. 100$ hoy izy ny vaksiny. Mba vaksiny volamena angaha hoy aho dia izany no ho vidiny. Na izay hoy izy na tsy tafiditra.

Eny ary hoy aho, dia nomena ny vola, aiza ny reçu hoy aho, tsy misy hoy izy. Mazava be zany.

Tonga ilay infirmier niaraka amin'ilay seringue efa nisy fanafody tao anatiny.
Azafady hoy aho, fa mila hitako ny seringue à jeter sy eto imasoko no anokafanao ny fanafody hoy aho. Tezitra ilay infirmier, avereno ny volako hoy aho fa hody aho, dia lazao ny ambassadeur nareo miandry ahy ao ivelany ao fa niverina ilay Expert andrasanareo.

Nirintona izy, sady naka seringue à jeter mbola tao anaty fonosana, dia natohany ny masoko ilay seringue ilazany fa hitanao tsara io fa mbola tsy nisokatra.
Dia natsindrony tao amin'ny lamosiko ilay TAB, dia TAB marina, fa narary ilay izy.

Firenena anisan'ny betsaka SIDA i Côte d'Ivoire. 460 000 any ny olona fantatra fa misy SIDA any, ary 25 000 no efa matin'izany aretina izany, ary 230 000 ny zaza maty taorian'ny nahafatesan'ny Ray amandreniny voan'ny SIDA (Tarehimarika Onusida).

Vao nivoaka ny aéroport dia nisokatra ny maso, tanàna tsara, autoroute, madio, lafatra e. Feu rouge, jiro eny amin'ny arabe, panneau, hatramin'ny fiampitan'ny olona manana kilema, misy panneau milaza ny toe-trandro. Tena petit Paris araka ny voalaza marina.
Ny taxibe no somary ratsy, ary manao taingim-be sy io miantsoantso voyageur io.

Nipetraka tamin'ny hotely raitra izahay, tena norme internationale avokoa.

Nanazava ry zareo fa tamin'ny andron'i Félix Houphouët-Boigny, filoham-pirenena voalohany taorian'ny Fahaleovan-tena, dia nanangana "nouvelle ville" izy, ka nafindrany tany ny administration rehetra, nasiany autoroute mampitohy ny ancienne ville, izay lasa toerana azon'ny mpizaha tany jerena, ary ny nouvelle ville dia tanàna ahitana ny lamina moderina rehetra, na ny fepetraky ny làlana, ny trano, ny fivarotana, eny hatramin'ny Fiangonana dia nasiany avy isak'ireo antokom-pivavahana.

Taorian'i Félix Houphouët-Boigny no nipoitra ny tolona nataon'i Laurent Gbagbo, izay nitotongana ny fiarian-karen'i Côte d'Ivoire, ary niafara tamin'iny ady an-trano rehefa nisy ny fifaninana tamin'i Alassane Ouattara iny.
Potika ny fotodrafitrasa tamin'ireny ady an-trano ireny, ary sahirana mafy ankehitriny i Côte d'Ivoire.

Maro ireo manao trafikana tandroka éléphant any, ary dia nampalahelo fa nangonin'ny fanjakana izany dia nodorana avokoa, mitovy ireny hodi-boay na sokatra eto amintsika ireny, voarara nefa feno azy eny antsena hanaovana sarisikotra sy tao-zavatra, nefa rehefa hody ianao dia voarara ny mitondra azy mivoaka, raha tsy hoe manolotra kely indray.

Nitodi-doha nody an-tanindrazana ary azo atao tsara ny mandray lesona amin'ny fametrahana nouvelle ville hialana amin'ny krizy sosialy, fandravana tranon'olona, ny tany rahateo malalaka eto amintsika, tokony ho zakan'ny fahefan'ny rehetra kosa mba tsy ho lasa nouvelle ville ho an'ny mpanam-bola, ka ny tsy manana hitoetra eo amin'ny ancienne ville na ny bakarta.

Mirary soa e.
Patrick

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.