QG: Tandremo miady an-trano

  • jeudi, 29 novembre 2018 12:19
  • Super User
  • Sary nindramina

Rehefa 2ème tour ohatran'io dia miazakazaka daholo ireo olona nanohana ny kandida resy rehetra manantona ireo kandida tafiakatra.

Misy kosa ireo Kandida mihitsy no miantso, indrindra fa ireo kandida resy mba hanohana azy.

Tsy latsadanja koa etsy ankilany ireo Député, na ireo te hilatsaka Député, na te hanao maire, no misaringotra amin'ny kandida, sitrany ahay ahazo financement hoe anaovana propagandy ilay kandida, fa ny tanjony mba hitety tanàna anomanany ny azy ihany koa.

Vaky saritaka eo ny QG rehetra, satria maro ireo mpikatroka efa namono tena tamin'ny 1er tour, izay sady tsy nahazo ininona fa miasa jamba rafozana eo fotsiny. Miakatra eo ny fimonomononana, hoe olona adve tery ve no hiseho anivatsiva sy hiseho hitarika eto.

Misy ny QG no efa manosika olona ho mety ho kandida député na kandida maire, atao takalo amin'ny fanohanana, dia miala ny base, hoe zahay tsy mila an'io hitarika anay aty.

Ny vola efa miharitra anaty kitapo, ny mpamatsy miandry izay ho sakaizan'ny mpandresy.

Tandremo ary ny ady an-trano fa na ho tafavoaka eo aza, dia anahirana ny fitantanana an'io indray aoriana.

Mirary soa anareo any amin'ny QG roa tonta any e.
Patrick

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.