Fitsaboana Malagasy: Mila asongadina sy omena tosika

  • mardi, 27 novembre 2018 10:25
  • Super User

Misy groupe ao amin'ny FB hoe "Torohevitra momba ny Fahasalamana"

Misy 600 000 membres latsaka kely izy io. Miarahaba manokana izay namorona azy sy ireo admin ao.

Maro tokoa ireo torohevitra ara-pahasalamana ao, misy koa ireo commentaire tsy misalasala mizara ireo traikefany.

Matetika dia fitsaboana natoraly no betsaka ao.

Mila mitandrina koa anefa fa tsy mahasolo dokotera ireny torohevitra ireny, satria misy ny aretina mety mitovy tranga ivelany, nefa samihafa ny tena marary.

Tiako sarihina kosa ny mpitondra, na ireo dokotera mpikaroka mba anome lanja ny fahaizantsika Malagasy.
Nahoana moa no ampiasa fanafody vazaha foana nefa ny fanafody Gasy tsara sy mora.
Iza no andà ny fahaizan'ny Gasy fanafody may, fanafody tapaka, fanafody kaikitra biby, rora fotsiny, na hotra.
Maninona izy ireny tsy ampiana, hitadiavana fomba ampandrosoana azy.

Ratsimamanga nanao ny raokandro, azo atsaraina izy ireny, raha ilaina ny forme ivelany ho lasa liquide, na comprimé.
Ny Industrie pharmaceutique dia mitana toerana goavana eo amin'ny firenena.

Nisy nahita ilay fanafody SIDA, fa toa nogadraina.

Mamintina azy ny hoe, sery vitan'anamalahy ve amonoana vatotr'akoho.
Ireny ohabolana Malagasy, ny anaran'ny hazo sy tanàna ireny misy dikany avokoa.

Ry Mazambody izany dia fanafody mahasitrana aretina maro.
Iza no tsy miresaka ny Tantely sy Vahona, tantely amam-bahona ny fiainana hoy ny Malagasy.

Iza no tsy mahay ny asan'ny tongolo gasy, oignon, ny sakamalao, ny fanomezana café kely ny zaza ialana amin'ny fanintona, ny corossol amin'ny ady amin'ny cancer, ny lohapary sy ny pasteky amin'ny aretina maro, ny ananambo sy ny volokatsaka.

Ny tanjona amiko dia ny hidiran'ny Mpitsabo eto amintsika hikaroka sy ampiasa ireny fanafody Malagasy ireny, sady tsara no mora, no ampiroborobo ny indostria fitsaboana eto amintsika.

Manana andraikitra goavana amin'izany ny ministeran'ny fahasalamana, ny Oniversité, ny Fanjakana, ny mpandraharaha momba ny fitsaboana, ireo mpitsabo Malagasy sy raokandro.

Mirary soa e.
Patrick

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.