Fanabeazana ny zanatsika: Samy tompon'andraikitra isika

  • lundi, 26 novembre 2018 11:49
  • Super User
  • Sary nomena Maroantsetra

Matetika vao mahita ny sekoly simba tanteraka toy izao isika, dia avy dia miantefa amin'ny tompon'andraikitra sy ny mpitondra ny atezerantsika.

Ekena izany, tsy misy politika matotra ny fampianarana, mijaly ny mpampianatra, ny Ray aman-dreny tsy manambola, sahirana, na ny hanikohanina tsy misy. Ny mpampianatra FRAM, karama vary masaka, ramose daba, satria vary amin'ny daba no atao solon'ny karama.

Etsy ankilany anefa, dia tiako ny misarika ny saintsika, tena asiantsika Malagasy hasiny ve ny fampianarana sa natao andefasana ny zaza fotsiny ihany mba tsy aditra ao an-trano?
Nahoana no hiandry ny fanjakana, efa tsy manao, na dia ny anamboatra dabilio vita amin'ny hazo na bambou, izay misy ao an-toerana fa tsy hoe tsy misy, anamboatra ny rindrin'ny sekoly, izay vita amin'ny baobao maniry eo an-tanàna, nahoana no avelatsika ireo zanatsika hipetraka amin'ny tany.

Isika mpampianatra, nahoana no tsy fehezina ny ankizy hanadio ny toeram-pianarana, amboly sy hanao zaridaina manodidina hanatsara ny toerana? Anga ny fanenjehana programa ihany no fanabeazana.

Isika mpianatra, tiantsika ve no hiaina anatin'ny loto.

Izahay mpianatry ny frera nadoa écolage, fa zahay daholo no mitady kofafa, manadio trano, mitady ravitseva sy vakitavoangy mikiky tabilio, sy manositra gorodona mba ampadio ny trano, eny hatramin'ny famafana sy fanadiovana WC mbola izahay daholo.

Ny Ray amandreniko no nanentana ny komitin'ny Ray amandrenin'ny mpianatra nanangana ny sekoly nianaranay, izay lasa lycée goavana aty aoriana.

Mora ny manome tsiny, ary tsy mety tokoa ny ataon'ny Fanjakana, fa zanatsika izy ireo, aza avela anaty fako fa mba mitsangana ihany koa isika Ray aman-dreny, isika mpampianatra, isika mpianatra.

Hafa indray raha hoe aleo tsy hianatra ny zaza fa dia avela ho bado. Ny mpitondra efa bado na minia manao bado sy manabado, isika koa mbola mitoetra anatin'ny fahabadoana.
Aza zatra miandry fanampiana lava, fa mitsangana manao izay vita aloha.

Tsy misorona
Patrick

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.