Vato fotsy sy Vato maty: Nitana ny laharana faha 4

  • vendredi, 23 novembre 2018 09:41
  • Super User
  • Sary Gasypatriote

Niavaka ity fifidianana filoham-pirenena ity, satria dia maro tokoa ny Vato fotsy sy Vato maty, izay nahatratra 392 853 manerana ny Nosy, raha ny vokatra vonjy maika navoakan'ny CENI hatrany no raisina.

Izy io moa misy dikany samihafa, fa ny lalàna eto amintsika dia mandravona azy ho isa tokana.

Nefa ny Vato fotsy dia midika fa tsy misy tiany ireo kandida 36, ny Vato maty kosa dia mety maneho atezerana, tsy fahaizana mifidy, na tsy nahy ka mety mitakosona ny lavotondro, satria kely loatra ny toerana ametahana izany ka tafiditra anaty case kandida roa mifanakaiky ny safidiny.

Raha jerena ny Carte, dia Analamanga hatrany no mibahana ny olona tsy tonga nifidy, mibahana ihany koa ny Vato fotsy sy Vato maty. Manaraka azy eo Vakinankaratra ary ny faritra atsinanana rehetra, manomboka any Toamasina ka hatrany Vangaindrano.

Ireo Kandida tafita amin'ny fihodinana faharoa, raha ny vokatra navoakan'ny CENI hatrany, dia mila mijery ireo faritra ireo, satria dia olona tonga nifidy ireo, fa mila ampianarina raha tsy fahaizana, na mila teny hafa andresy lahatra azy, fa ny kabary, na ny fihetsika fanentanana tamin'ny 1er tour izany tsy neken'izy ireo.

Mirary soa
Patrick

Misaotra ireo mpiara-miasa nanao ny Carte

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.