Inona izany logiciel ?

  • jeudi, 22 novembre 2018 10:59
  • Super User
  • Photo Gasypatriote

Misy asa tsy miova ary miverimberina ny fikajiana azy.

Dia iny no ilana informatique, anafaingana sy anamorana ny asa atao miverimberina.

Ny programa na ny fizotran'izay asa sy kajy izay zany no antsoina hoe programme na logiciel.
Io logiciel io zany dia tsy afaka ovain'ny mpampiasa azy fa izay nataon'ilay mpanamboatra azy, na ilay programmeur ihany no ao.

Ohatra :
Logiciel traitement résultat électoral.

Io no mora atao indrindra raha samy programme, ary mora arahi-maso raha nisy diso na niniana nodosoina ny programmation.

Kajy + sy - ary / irery ihany no ampiasaina. Taranja CEPE izany dia mahavita azy.

Dingana 1 : Manamboatra feuille de saisie :

Izany hoe misy case fenoina izany :
- Vao mampiditra ny code BV dia avy dia apetrany ny anarana BV - Fokontany - Commune- District - Faritany - Isan'ny mpifidy voasoratra anarana.

Eo dia efa mora arahi-maso satria efa ni publier n'ny CENI io lisitry ny BV sy ny isan'ny mpifidy voasoratra anarana io.

Manao test échantillon 5 na 10 eo dia efa tratra raha misy diso na niniana disoana eo.

* Ampidirina amin'io saisie eo ihany koa ny :
- isan'ny tonga nifidy
- isan'ny vato fotsy sy vatomaty
- isan'ny vato azon'ny kandida tsirairay 36.

Dingana 2 : Ny logiciel izany sisa no mikajy :
- Total suffrage exprimé na ny vato manankery= Vato azon'ny N°1 +N°2 +....+N°36
- Total votant na ny tonga nifidy= Vato manankery + Vatofotsy sy Vatomaty.

Eo zany dia efa misy test, moa ve io kajy io mitovy amin'ilay natao saisie tetsy ambony.

Amin'ny informatique no antsoina hoe mitovy dia ampifanalana izy roa, ka raha zéro ny valiny dia mitovy izy izay, raha tsia kosa dia manome alerte ny logiciel milaza hoe misy diso, na ny saisie, na ny résultat voasoratra amin'ny PV nampidirina.

Raha ny résultat tamin'ny PV mihitsy no diso dia iny ilay nolazain'ny CENI hoe BV Anomalie, ka dia ny HCC no mitsara an'iny fa asiana observation izany iny BV iny.

Dingana 3 : Manao kajy pourcentage %

% vato azon'ny kandida= total Vato kandida iray/vato manan-kery × 100.

Rehefa totaliana atambatra indray io % kandida io dia manome 100 ny fitambarany : 0,1 % +.... 8,8 % +39 % +....36 % +....1 % =100 %

Tsotra kely izany ny manamarina raha nisy programme manome sy mizarazara vaton'ny kandida iray ho an'ny hafa.

Mirary soa.
Patrick

Misaotra ireo mpiara-miasa tsy nandry andro sy alina nanao saisie résultat sy nanamboatra ny carte des résultats.

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.