Miseho amin'ny vokam-pifidianana ny fahasamihafana

  • lundi, 19 novembre 2018 08:27
  • Super User

Raiso amin'ny fo tony, ary izay no andinihina ny zava-misy eto amintsika hoe, atao ahoana ity fahasamihafana tokony ho harem-pirenena ity.

Mazava be ny carte, fa ny afovoan-tany mifidy Ravalomanana, ny mponina any amin'ny sisin-dranomasina mifidy Rajoelina.

Ny avara-bohitra mifidy an'i Ravalomanana, ny faritra iva sy ny mponina sahirana mifidy an'i Rajoelina.

Aza asiana resaka adi-poko fa io ny zava-misy.

Anjaran'ireo Kandida izany no manarina an'izay, ary raha te handresy dia tsy maintsy misokatra amin'ny hafa.

Fotoana andinihina ny tena fampandrosoana, isam-paritra, ho an'ny rehetra izany, ary ny fitsinjaram-pahefana tena izy ity fiodinana faharoa ity.

Tsy misorona
Patrick

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.