Zandry: Ny hendry no hanarina

  • vendredi, 16 novembre 2018 09:43
  • Super User

Na nisaraka aza ny lalantsika, toy ny fanaoko dia milaza ny hevitra aho ahatsara ny Firenentsika iombonana, raha misy ny mety, dia raiso, raha tsy mitovy ny fijery dia tsy misy olana, samy manohy ny lalany hatrany.

Ianao izao ry Zandry kely no mitarika amin'ny vokam-pifidianana, tsy ianao no atoro fa io fitiavan'ny olona io mety mora mivadika.
Aza lany andro amin'io vokam-pifidianana io, ny CENI tsy hiova hevitra, ny HCC tsy anebaka an'i CENI. Mety misy ireo tsy lavorary, ianareo no tao, ary anao no PM amin'izao, tsy afaka ianao amin'io tsy fanjariana io.

Jereo i Dada, fetsy, tsy miteny izy, manao hendry be daholo ny zanaky Dada, ny azy efa mandeha, efa miaraka amin'ny Baréa izy, ianao mbola endrik'olona be ady amin'ny vokam-pifidianana, ny manodidina anao manao ady an-tsena eny amin'ny radio sy FB, milelalela may vava.

Tandremo fa tsy ampy ahalany anao 2e tour ny vaton'ireo fanatika, ilainao ny vaton'ireo tsy nandeha nifidy, ireo nanao vato fotsy, aza adino fa 3e position izy ireo. Ireo tsy nandeha nifidy efa tsy andeha koa amin'ny 2e tour, fa ireo misalasala no ilainao, nefa ireny tsy tia gidragidra izany.

Esory an-tsaina ny hevitra hanao auto-proclamation, na haka miaramila, vita hatreo ny momba anao raha miditra amin'izany ianao. Ny Malagasy rehetra sy ny CI dia hifanontona aminao avokoa, tsy ho zakanao izay.

Ny fidirana amin'ny 2e tour no omano, ny mpitsara dia olombelona, raha miady mivady izy any an-tranony, dia mamay izay olona tsarainy amin'iny andro iny. Mitsiky izy, dia mitsiky ihany koa ny didiny, na dia manaraka hatrany ny lalàna aza izy.

Aza mi provoque ny HCC fa ratsy be raha donainandreo disqualification eo ianao. Enga anie tsy hisy izany, fa azony atao izany ary betsaka ny argument mety anaovany an'izany.

Tandremo fa ny manodidina hatrany no manimba.

Mirary soa ary soavadia
Tsy misorona
Patrick

Photo: Inauguration de l'hôpital Andohatapenaka par Andry Rajoelina mercredi 22 janvier 2014.

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.