Tapina ny dômy, samia manisa ny an-tanany

  • jeudi, 15 novembre 2018 09:33
  • Super User
  • Gasypatriote

Tamin'ny 8 ora, 15 novambra 2018

BV traités:19669 / 24852 soit: 79.14%
Inscrits: 7874700 / 9913599
Suffrages exprimés: 3937727
Taux de participation: 54.03%

izany hoe BV 5 183 sisa no andrasana, amin'ny mpifidy voasoratra anarana 2 038 899.
Hita fa tsy nihetsika firy ny tahan'ny mpandray anjara 54%, ka (2 038 899 x 54%)=1 101 005 izany sisa no hifampizaran'ireo kandida (36 + 1) (1 = ilay vato fotsy sy vato maty izay milahatra faha telo hatrany).

Raha ny 80% hatrany no hifampizaran'ny 13 sy 25, dia 20% ny an'ny kandida (34+1) (1=maty sy fotsy).

800 000 vato izany no iadian'ny 13 sy 25.

Mba ahazoana 1er tour anefa dia 50%+1 amin'ny vato manankery=(3937727 + 1 000 000) *50%= 5 000 000 * 50% eo= 2 500 000 no ilain'ny kandida vao mahazaka 1er tour.

Tamin'ny 8 ora anefa

- RAJOELINA Andry Nirina : 1559480 soit 39.60%
- RAVALOMANANA Marc: 1412739 soit 35.88%
- RAJAONARIMAMPIANINA Hery: 313725 soit 7.97%

Ka na omena an'i 13 manontolo aza ny 800 000 vato ambiny ka zero manontolo i 25 amin'ireo BV 5000 ambiny, mbola tsy tratra ny 2 500 000 fa mbola 2 359 480.

Aza lany andro mifanenjika manao conférence de presse na mamory vahoaka milahatra, fa ny fahendrena, mandehana omano ny 2e tour, imprimer ny affiche, tee-shirt efa mahazatra anareo, sokafy ny QG fa aza akatona, mandehana ianareo mpanohana mandresy lahatra ireo 5 000 000 tsy tonga nifidy fa leo ady ny olona.

Ianareo kandida 34 ambiny, maneke resy, arabao ireo roa nahavita ny dingana voalohany, mipetraha tsara, io ny fifidianana efa natao, na ratsy io na tsara, dia io izy, atsaraina izay mbola azo atao.

Aza manao disqualification izany ry HCC fa vao maika ho zava-doza izany. Izay resy tsy akoraina, izay mandresy tsy miedinedina fa tsy maintsy hiaraka eto hatrany isika.

Ianareo ao Mahazoarivo, ialao ny eritreritra hisambosambotra olona, menaka efa mandevy izao, aza tondrahana rano.
Ianareo no tompon'antoka amin'ny fifidianana fa tsy ny CENI velively, izay rantsamangaika mpanatateraka fotsiny ihany, ianareo no nahazo mission tamin'ny HCC hikarakara fifidianana, ianareo no nanapaka ny lalàna sy ny daty rehetra, ny CENI mpanatateraka.

Tsy misorona
Patrick

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.