Fille du Cœur de Marie ao Soavimbahoaka: Mila ny firaisan-kinantsika rehetra

  • dimanche, 11 novembre 2018 09:38
  • Super User

Mankahery sy mitondra am-bavaka an'ireo masera Fille du Cœur de Marie ao Soavimbahoaka, izay mikarakara zaza kamboty maherin'ny 500, mitaiza sy mampianatra azy ireo, manomboka ny fahazazany ka hatrany amin'ny Université sy Polytechnique.

Tohina ny fo mahare an'i Masera (tsy manao voaly na ankajo manokana) mitantara ny fiainan'izy ireo, mety hitantsika ireny zaza marobe milahatra manao tablier marron eny an-dalana Ambatomainty ireny, zanak'izy ireo taizaina ao avokoa izy ireny, misy ireo tsara sitrapo manome fanampiana, fa mbola lavitra ny ezaka satria dia iantohana sakafo avokoa ireo ankizy 500, vary 2 gony isan'andro dia voamaina ny laoka, ny cahier sy fianaran'ny ankizy, ireo fanafody, ny vola ilaina any ampianarana, ny olana samy ankizy mbola hatrehina, ny fikarohana ny ray amandrenin'ny sasany, satria misy ny zaza hita teny anjaridaina no nanomboka notezaina.

Manentana ny rehetra, izay ananantsika sy fointsika azy ireo, eny na ankanjo efa tsy anaovan'ireo zanatsika, na cahier sy stylo, na boky efa tsy miasa amintsika, indrindra moa raha misy vola azo anampiana.
Ho an'ireo afaka manao parrainage zaza iray moa dia vao maika tsara.
Nilaza kosa izy fa tsy omeny ireo zaza ireo.

Ianareo mivantana no aoka hiantso na hitondra ny fanomezana avy amintsika.
Fanafody, vary, voamaina, fitaovam-pianarana, tablier, akanjo sy kiraro no tena maika ao amin'izao.

Soavimbahoaka, eo amin'ny Gamo no miditra, dia rehefa ahazo an'i frère Rafiringa Soavimbahoaka, dia midina miankavia.
Na avy aty Amboditsiry hiazo ny fonderie ihany koa, manaraka pavé hatrany dia tonga any.

Merci d'aider le centre orphelinat qui accueille plus de 500 enfants chez les Sœurs de la Fille du Cœur de Marie à Soavimbahoaka.
Besoin de 2 sacs de riz par jour, médicaments, fournitures scolaires, tabliers, vêtements, chaussures, livres, savons.

Bon dimanche à tous.
Patrick

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.