Lalana: Mila mianatra norme isika

  • vendredi, 24 août 2018 07:53
  • Super User
  • Sary Gasypatriote

Ny lalana dia misy fenitra iraisam-pirenena satria tsy isika Malagasy irery no mampiasa ny lalana eto amintsika.

Ny Plaque autoroute na voie rapide dia miloko manga, izany hoe ny arabe dia lalana tokana tsy misy mifanena, ary azo andehanana mafy.
Ny Plaque route Nationale dia maitso, azo adehanana mafy ihany fa voafetra, ary lalana misy fiara mifanena.

Ny habean'ny soratra, ny caractère ampiasaina amin'ny Panneau dia misy fenitra ihany koa, satria natao ho hita avy lavitra arakaraky ny afainganam-pandeha ekena eo amin'io lalana io, fa tsy efa eo akaiky kely eo vao tazana.

Ny panneau dia tsy afangaro amin'ny publicité satria ny maso mijery aingana ka mety ho variana amin'ny zavatra hafa.
Aza adino fa amin'ny afainganam-pandeha 50km/h dia mila 30 segondra vao tafajanona ny fiara raha misy loza, nefa 2 segondra no mety mahafaty olona na mpandeha na ny mpamily, ary ny zaza milanja 15kg, dia manidina ka midona amin'ny seza na fitaratra ka lasa milanja 150kg.

Ilaina arak'izany ny famatorana ny tsirairay amin'ny seza, na ny mpitondra fiara na ny mpandeha. Tsy natao ho an'ny Polisy izany ny famatorana, na ny ceinture de sécurité, fa ho fiarovana ny mpandeha.

Ny olon-dehibe miantsipy amin'ny tableau de bord, na amin'ny volant, na amin'ny fitaratra dia lasa milanja 500kg raha amin'ny hafainganam-pandeha 50km/h, izany hoe ny fandehanana an-davan'andro.

Mirary soa.
Patrick

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.