Fifidianana: Manohana an'iza i Patrick Raharimanana?

  • jeudi, 23 août 2018 11:40
  • Super User

Betsaka ny mametraka izay fanontaniana izay, misy mihitsy aza no milaza fa hanohana kandida zatsy na zaroa no antony tsy nilatsahany.

Tsy hiverenako intsony satria efa nazavaiko ny antony tsy nilatsahako.

Raha ny hoe hanohana Kandida, dia hatreto tsy misy Kandida tohanako, na tohanan'ny Antoko "Vitantsika io".

Izaho manokana kosa dia hijoro hiady amin'ny kolikoly momba ny fifidianana, tsy hoe manenjika an'iza na iza izany, fa ny halabato, ny kolikoly, ny fampihesonana vahoaka no iadiako, ka izay fanazavana hampisokatra ny mason'ny mpifidy no ezahiko atao, ka izay voadona dia voadona, satria izy no te tsy hanara-dalàna.

Izay mpivarotra Tanindrazana, dia holazaiko imaso izay fantatro. Ireo mpividy olona sy mpividy mpiasam-panjakana, dia hifanehitra amiko.

Izay no anjara birikiko ato anatin'izao fifidianana tiana hajoro ao anatin'ny vola sy ny fivarotana Tanindrazana izao.

Mirary soa.
Patrick

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.