Ny orinasa sy ny indostria no fototry ny toe-karena

  • samedi, 04 août 2018 16:52
  • Super User

Amin'ny tetikasa "Vitatsika io" dia ny orinasa sy ny indostria no ampiasa ny Malagasy an'hetsiny, manodina sy manjifa ireo vokatra sy akora malagasy, na avy amin'ireo mpamboly, na mpiompy, na mpitrandraka harena ambonin'ny tany na ankibon'ny tany, na ireo mpanao asa tanana.

Ny mpamatsy vokatra izany mahazo tombony, ny mpiasan'ny orin'asa mahazo asa, ny mpanjifa Malagasy manjifa vokatra malagasy tsara.

Raha tiana ny ampandroso ny orin'asa sy ny indostria, dia omena tosika izy ireo, na ny fanamaivanana ny vidin'ny angovo izay vesatra 30% n'ny vola lanin'ny orinasa, fanafoanana ireo hetra rehetra manavesatra ny fitaovam-pamokarana sy ny akora ary kojakojam-pamokarana.

Fanampiana amin'ny fanofanana ireo mpiasa, fiaraha-miasan'ny Oniveristé amin'ny asa fikarohana, hanatsarana ny vokatra, fanampiana amin'ny fitadiavana tsena ivelany.

Hisy ireo faritra atokana ho an'ny indostria, zone industrielle, izay ahitana angovo amin'ny vidiny mora, ahitana ireo foto-drafitrasa fametrahana entana, zone de stockage et logistique, ahitana ny toerana fanangonana sy fikarakarana ireo fako indostrialy ho fanajana ny tontolo iainana.

Ny vokatra efa vita no asiana hetra kely, tsy mihoatra ny 10% ny TVA. Sady hihena izany ny vidin'entana eny an-tsena, no hiroborobo ny indostria anatiny.

Vitatsika io.
Patrick

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.