Tonga ny fotoana andraisantsika tsirairay andraikitra

  • mercredi, 01 août 2018 12:08
  • Super User

Manomboka androany 01 aogositra 2018 ny fametrahana ny taratasy filatsahana ho fidiana Filoham-pirenena, tapitra amin'ny 21 aogositra izany fetr'andro izany.

Niara-nandinika teto hatrany isika, ny amin'ireo tetikasa vaventy entintsika anovana marina ny Firenentsika sy ny fiainantsika tsirairay avy.

Tsy hanao resaka lava intsony aho satria kely ny fotoana, misy 300 000 isan'andro eo isika no manaraka tsy tapaka ny vaovao omena eto, izay andaniana vola sy fotoana maro tokoa, mila ny ezaka rehetra avy amintsika aho, mila vola sy fifanampiana avy amintsika, mila antsika anangana ireo komity mpanohana, mila antsika andresy lahatra ireo havana sy namana isan-tsokajiny, eny na ireo lavitra tsy mahita ny serasera eto aza.

Aza manaiky tsindrian'olona hoe kandida tsy manam-bola sy mangataka tsipaipaika kay ny anareo, fanao maneran-tany izany, ny vahoaka mahafantatra fa ho azy marina ny fampandrosoana apetraka, no mandray anjara ara-bola, arak'izay vitan'ny tsirairay, manao porte-à-porte mampandany ny kandida azony antoka, fa anatanteraka ny tetikasa entiny.

Tsy hivarotra Tanindrazana amin'ny vahiny isika, ka andeha haka vola ampandresena antsika, ka rehefa tonga eo amin'ny toerana dia zary adino ny resaka rehetra natao, ka ny harenam-pirenena no amidy varoboba amin'ny vahiny avokoa.

Ampiasa vola tokoa ireo kandida hafa, tsy hiverenana intsony hoe, avy aiza ireny vola marobe ireny, izay misy mihitsy aza ny hividianana mpifidy amin'ny alalan'ny tee-shirt sy méga-concert ary fizaram-bola.

Tsy mendrika izany intsony ny Firenentsika, satria dia ny hamerina ny volany sy anome fahafaham-po ireo namatsy vola azy, no ataony rehefa lany izy.

Isika no ampandany antsika, ka dia mazava fa ho antsika ny asa rehetra atao rehefa lany isika. Tsy maharesy antsika ireo milaza azy be vola ireo, raha tena samy mandray andraikitra isika. Aza manaiky vonoin'olona vorona hoe, kely ianareo.

Miantso antsika rehetra aho, anome izay zakatsika, miantso antsika mpadraharaha aho, ho anareo no hitsanganana toy izao.

Mazava kosa ny momba amiko, izaho dia mitarika ary manentana antsika hatrany hanavotana ity Firenentsika ity, hananantsika Fahaleovantena marina, ho sangany aty amin'ny ranomasim-be indianina, nefa kosa, raha tsy isika no hanampy ahy, dia tsy ho Vitako io.

Matoa navoakako eto avokoa ny antsipirihan'ny tetikasa ho tanterahina raha lany dia foiko ho an'ny Firenena izany.

Raha sanatria tsy manam-bola hirotsahana isika, izay 50 millions ariary ny caution, ka tsy afaka ny hirotsaka ho kandida, dia tsy hanohana kandida hafa aho, na alohan'ny 1er tour, na amin'ny 2e tour. Tsy ho entiko hitadiavana seza, na vato amidy ny hatsembohantsika mitady fanovana marina.

Tsy afaka hiantoka olona aho, aleoko manohy ny fiainako an-davan'andro, izay hiadanako eo anivon'ny fianakaviako, ampy ahy izay ananako, fa ho antsika sy ny Firenena no hijoroako.

Vitatsika io.

Patrick Raharimanana
Kandida ho Filoham-pirenena

Vos dons et participations:

Orange Money: 032 22 667 77
Airtel Money : 033 41 877 62
Mvola : 034 45 999 66
Paypal ou CB : Cette adresse e-mail est protégée contre les robots spammeurs. Vous devez activer le JavaScript pour la visualiser.

Ho antsika mipetraka any ivelany, dia azo alefa Paypal na Western Union ihany koa, na amin'ny Carte bleue.
Afaka mandefa message isika izay mila fanazavana manokana.

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.