Tonga indray isika raMalagasy spéciale, nitsangana ny Cour spéciale bois de rose

  • samedi, 14 juillet 2018 08:48
  • Super User
  • Sary nindramina

Foronona daholo io fatin-drafitra spéciale mitaingina ambony rafitra io.

Tsy mahavita ny asany na mangala-bato amin'ny fifidianana ny ministeran'ny atitany, dia tsy voasazy na voaroaka izay tompon'andraikitra amin'izany, izay tokony ho diovina isian'ny asam-panjakana tsy mitanila, fa ilaozana mamorona CENI, dia vatsian'ny vahiny vola, izay izy mazava ho azy no hibaiko azy, porofon'izany ireny pub fanentanana ataon'ny CENI amin'ny teny Malagasy sy Frantsay ireny.

Tonga koa ny ministère environnement dia asiana rafitra mitaingina ONE, izay lasa foiben'ny kolikoly manome permis environnemental, resaka fananganana indostria na fitrandahana harena ankibon'ny tany.

Tsy mirindra ihany koa ny Fitsarana sy ny fanenjehana mpanao kolikoly, dia atsangana indray ny Bianco sy ny Samifin, nefa vao maika mitombo koa ny kolikoly sy ny famotsiam-bola.

Ny kandida ho filoham-pirenena aza moa, vao maika hatosika hivarotra Tanindrazana, satria na ny solo-tenan'ny CENI aza milaza fa mila 300 miliara fmg ny Kandida iray vao mety handresy amin'ny fifidianana, ary manaiky izy fa tsy maintsy varotra harem-pirenena vao mety hita izany vola be izany.

Izao indray dia atsangana ny Fitsarana manokana momba ny bois de rose, ho azo antoka fa hiditra indray ireo vahiny toy ny CITES hamatsy vola sy hibaiko dia roboka ao daholo koa.

Dia ho asiana ihany koa ve izany fitsarana manokana momba ny volamena, satria io aza no betsaka kolikoly indrindra noho ny bois de rose. Mbola eo koa ny taolam-paty, ny Nickel sy ny fasimainty, izay pipeline na tuyau lehibe mihitsy aza moa no hampidirana izany, miala eny amin'ny toeram-pitrandrahana, miditra anaty sambo tsy misy sivana, fa izay ao anatin'ny ranon-tany ao dia lasa ambongadiny any daholo.

Angaha izany fandikan-dalàna izany tsy ho vitan'ny Fitsarana ady heloka, ka tsy ny lalàna moa no tokony amboarina raha misy sazy enjana kokoa tiana atao?

Tsotra fotsiny, tsy miafina ireo sinoa mivarotra fiara, fanaka, fanafody vita amin'ny bois de rose, avy aty Madagasikara. Raha toa ka anenjika isika, antsoy rahampitso ihany ny ambassadeur sinoa miasa eto amintsika, dia hita iza no nivarotra ireo bois de rose ireo, tamin'ireo mpivarotra fanaka ireo.

Rehefa hiaro ny mpivarotra fanaka Sinoa ny ambassadeur ka tsy mety hilaza izay Malagasy nanondrana ny bois de rose, dia alefaso mody ny ambassadeur sinoa.

Rehefa tsy hanao an'izay dia aza be resaka.

Na izany aza, dia aoka tena henjehina tokoa ireo nanome alalana na nanondrana tsy ara-dalàna bois de rose 2000 conteneurs nanomboka ny taona 2002 - 2018, ary ny mpitondra ambony maro no ao anatiny fa sao miafina ambadiky ny immunité eo indray, na hanao toy ny HCJ, izay mbola Cour spéciale ihany koa, ka hoe tsy misy rétroactivité, na ilay hoe, ny heloka rehetra vita tany alohan'ny nitsinganany dia tsy azo tsaraina intsony.

Na bois de rose, na volamena, na Nickel, na fasimainty, atsika ireo harena ireo, anjarantsika no manapa-kevitra ny hampiasana azy, vola tokony hiditra ampandrosoana ny Firenena ireo, ka tsy voatery atao hoe heloka ny mivarotra azy, fa mila mazava ny fitsipika mifehy azy, mba ho voatandro ny harena harovana sy avela ho an'ny taranaka, ary ireo harena trandrahana mba hiverina amin'ny tena fampandrosoana ny faritra nialany sy ny Firenena iray manontolo.

(Sary nindramina: Mpivarotra fanaka sinoa vita amin'ny bois de rose, ny fandriana iray 6 millions de dollar na 18 miliara ariary, 90 miliara fmg. Omeo ny mpanao asa tanana sikotra Ambositra, tonga dia milamina ny fitakian'ny mpampianatra raha fandriana 4 fotsiny no amidy)

Patrick

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.