Fianarana, Asa sy Sakafo ho an'ny rehetra

  • mercredi, 04 juillet 2018 10:32
  • Super User

Amin'ny tetikasa "Vitatsika io" dia tsy maintsy mianatra ny zaza sy ny tanora rehetra latsaky ny 16 taona.

Ireo 16-50 taona tsy manana asa rehetra kosa na kely fivelomana, dia miditra Service National avokoa.

Ankoatran'ny ady amin'ny tsy fanjarian-tsakafo, ny ady amin'ny loto sy ny aretina, ny ady amin'ny fanapotehana ny tontolo iainana, dia mila misakafo sy madio ara-dalàna avokoa ny Malagasy rehetra, mba ahafahany miatrika ny fianarana sy ny asa famokarana ataony.

Tafiditra amin'izany ny fijerena manokana ireo olona manana kilema, na ny fianarana na ny asa omena azy.

Amin'ny alalan'ilay carte électronique, dia hisy crédit vary 150Kg, rano 15m3 ary éthanol 30 litres isam-bolana, isan-tokatrano ho azon'ny fianakaviana tsirairay. Hisy fatana éthanol ho zaraina isan-tokantrano amin'izany.

Hisy panneau solaire mitentina 1 500 000 ariary, izay averina 15 000 ariary isam-bolana, ao anatin'ny 10 taona.

Hiantohana ny fahasalamana sy ny fampianarana ho an'ny rehetra. Ny olona tomady sy mahay no afaka hamokatra tsara.

Tsy latsa-danja ny fitandroana ny fandriam-pahalemana ahafahana miasa ankahalalahana sy ampitoniana.

Ampy ampandrosoana antsika Malagasy rehetra ny harenantsika.

Vitatsika io.
Patrick

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.