Fokontany: Fototra ihorenan'ny fampandrosoana

  • mardi, 03 juillet 2018 17:12
  • Super User
  • Sary Fokontany Behompy Toliara

Teti-bola efa misy amin'izao: 

5 000 miliara Ariary ny totalibeny, 15% ihany isika Malagasy no mandoa hetra.

Toy izao no hitsinjarana azy
* Fokontany 50% (Zaraina 20 000)
* Kaominina 25% (Zaraina 1 600)
* Faritra 10% ( Zaraina 3, Avaratra, Afovoany, Atsimo)
* Foibe 15%

Rehefa ampiasaina ny carte électronique hisolo ny vola, dia hiditra amin'ny ara-dalàna avokoa ny rehetra, ka vao misy fifanakalozana ara-barotra dia hiala avy hatrany ny hetram-panjakana, ka hiditra mivantana any amin'ny compte Fokontany ny anjarany, any amin'ny Kaominina sy Faritra ary ny Foibe ihany koa ny azy, arak'io fitsinjarana efa voafaritra io.

Hitombo avo dimy heny raha kely indrinda izany io tetibola io ka ho lasa 25 000 miliara Ariary.

Toy izao izany ny tetibola isan-taona tantanan'ny:

* Fokontany 50% (Zaraina 20 000): 625 000 000 Ariary (3 milliards fmg)
* Kaominina 25% (Zaraina 1 600): 3 900 000 000 Ariary (20 milliards fmg)
* Faritra 10% ( Zaraina 3): 850 000 000 000 Ariary (4 250 milliards fmg)
* Foibe 15%: 3 750 000 000 000 Ariary (18 750 milliards fmg)

- Ny Fokontany dia hisy 5 licenciés (Bac+3) hiaraka hisahana azy, hikarakara ny Sekoly amabaratonga fototra (maternelle - BEPC)
- Ny Kaominina no hisahana ny Lycée
- Ny Faritra no hisahana ny Oniversité
- Ny Foibe no anamboatra ny fotodrafitrasa lehibe, hiantoka ny karama Service National, ny Bourse scolaire, cantine, transport scolaire rehetra, ny fahasalamana, ny fandriam-pahalemana.

Vitatsika io.
Patrick

(Sary Fokontany Behompy Toliara)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.