Fambolem-bary any Vietnam: Mamokatra indroa ka hatramin'ny in-3 isan-taona, 7 tonnes/ha

  • dimanche, 24 juin 2018 22:10
  • Super User
  • Sary nindramina

Mitovitovy ny eto Madagasikara, indrindra fa ny afovoan-tany izay misy tendrombohitra sy lohasaha ny fambolem-bary any Vietnam.

Tsy misy tany mipetrapetraka fa dia misy voly vary na voly avotra avokoa.
Vietnam no mpanodrana vary faharoa maneran-tany, raha 40 taona lasa izy izay no potiky ny ady ary tsy nahavelon-tena ara-bary.

- Raha tamin'ny taona 1970 izy dia namokatra vary 10 millions de tonnes
- Ny taona 2000, namokatra 220% avo heny ka lasa 33 millions de tonnes
- Amin'ny taona 2020 dia tombanana ho 64 millions de tonnes.

Ka raha 500 dollars ny tonne eo amin'ny tsena iraisam-pirenena dia ahatratra 32 milliards de dollars isan-taona ny azy no vola miditra.

I Madagasikara dia manana rendement 2 tonnes/Ha, ary 4 millions tonnes no vokatra amin'ny tany 2 millions Ha (3,5% ny velaran-tany eto amintsika). Mbola tsy mahavelon-tena ara-bary isika fa manafatra 400 000 - 600 000 tonnes isan-taona.

Raha miezaka kely fotsiny ampakatra avo roa heny ny rendement ho lasa 4 tonnes/ha (Atsasaky ny an'ny Vietnam), dia ambolena ny 10% n'ny velaran-tany, dia hidirana 30 milliards de dollars isika anatin'ny 5 taona, raha isan-taona ny an'ny Vietnam io 32 milliards de dollars io.

Velarantany
Vietnam: 330 967 km²
Isan'ny mponina (2016): 92 699 227

Madagasikara (2 avo heny): 587 041 km²
Isan'ny mponina (2016) (ampahefatry ny Vietnam): 24 430 325

Samia mamisavisa.

Vitatsika io
Patrick

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.