Fitsinjarana andraikitra: Atao Faritra 3, Avaratra, Afovoany, Atsimo

  • mardi, 12 juin 2018 14:10
  • Super User

Betsaka ny resaka na lalàna efa natao amin'ny fitsinjaram-pahefana tena izy, fa dia samy namikitra nitazona ny fahefana ho an'ny vondrona antokon'olom-bitsy hatrany. 

Novesarana rafitra poakaty tsy misy fahefana, tsy misy vola.

Ialana ny rafitra fanjanahantany ka dia ho tsinjaraina Faritra 3, Avaratra, Afovoany, Atsimo i Madagasikara.

Tsy misy ny misaratsaraka, samy mahazo ranomasina andrefana, atsinanana. Atao eo anivon'ny Fokontany ny fampandrosoana rehetra, ka dia omena azy ny andraikitra rehetra sy ny tetibola.

Rehefa ampiasaina ilay Karatra mavo ho an'ny mpanjifa ary Karatra maitso ho an'ny mpivarotra sy mpandraharaha (Carte électronique) dia azo eo noho eo ny hetra, voafehy ny kolikoly, hihena ny tsy fandriam-pahalemana, ka hiakatra avo 5 heny avy hatrany ilay tetibolam-panjakana 5 000 miliara Ariary ankehitriny, ho lasa 25 000 miliara Ariary izany ka ny:

* Fokontany (20 000 isa): 50% n'ny tetibola (625 millions ariary isan-taona - 3,125 milliards fmg/Fokontany misy olona 1 000, 200 tafo)
* Kaominina (1 600 isa): 25% (3,9 miliara ariary - 19,53 milliards fmg isaky ny Kaominina)
* Faritra (3 isa): 10% (833 miliara ariary - 4 166 milliards fmg isaky ny Faritra, Avaratra, Afovoany, Atsimo)
* Foibe: 15% (3 750 miliara Ariary - 18 750 milliards fmg - 1,250 milliards de dollars)

Ireo vola ireo, vao misy fifanakalozana eo ami'ny Karatra mavo Mpanjifa sy Karatra maitso mpivarotra dia mitsinjara mivantana mandeha any amin'ny Fokontany, Kaominina, Faritra ary Foibe nanaovana ilay fifampivarotana.

- Ny Fokontany manao ny fotodrafitrasa fototra, miantoka ny fampandehana ny sekoly fanabeazana fototra (maternel - BEPC);
- Ny Kaominina miantoka ny lalana ao anatin'ny kaominina, sy ny fampandehanana ny Lycée, ambaratonga faharoa;
- Ny Faritra miantoka ny fotodrafitrasa lehibe ao anatin'ny faritra, mampandeha ny Oniversité 3 lehibe izay itambaran'ireo vaovao vao ahorina sy ny 6 efa misy amin'izao;
- Ny Foibe no manao ny autoroute, canal de Pangalanes, ny Lalamby manaraka ny morontsiraka atsinanana, ny orinasa mpitrandraka pétrole sy volamena, vato sarobidy, ny port, aéroport, Centre complexe sportif, nouvelle ville...

Ny Foibe no miantoka ny bourse n'ny mpianatra:
50 000, Universitaire public ou privé
500 000, BEPC- Bac (Ecole Professionnelle publique ou privée)

Bac+3 miakatra: 250 000 ariary/isam-bolana
Bac - Bac+3: 125 000 ariary/isam-bolana
BEPC- Bac (Ecole Professionnelle publique ou privée): 50 000 ariary/isam-bolana

Ny Foibe no mandoa iray manotolo ny karaman'ireo tsy an'asa rehetra ampidirina Service National miisa 4 000 000:

Bac+3 miakatra: 1 000 000 Ariary/isam-bolana
Bac - Bac+3: 500 000 Ariary/isam-bolana
Moins Bac: 200 000 Ariary/isam-bolana

Ho an'ny privé dia ny mpampiasa no mandefa ny anjarany amin'ilay karatra mavon'ny mpiasa arak'izay nifanarahana tamin'ny fanjakana, ary ny fanjakana kosa no mameno ny ambiny mba hifanahantsahana amin'ny karaman'ny Service National ny an'ny privé.

Tsiahivina moa fa ny Carte électronique dia hisy crédit vary 150Kg, rano 15m3, ary éthanol 30 litres isam-bolana, isan-tokatrano.

Akoatran'ny tany omena isam-batan'olona 1 000 m² sy panneau solaire mitetina 1 500 000 Ariary isan-tokatrano, averina 15 000 ariary isam-bolana ao anatin'ny 10 taona.
Ny Carte électronique ihany koa no iantoka manontolo ny fahasalamana, raha akana 1% ny karaman'ny mpiasa isam-bolana, ary 3% no aloan'ny mpampiasa.

Ny 2% amboniny aloan'ny mpampiasa moa no ihantoka ny fampiofanana ny mpiasa sy ny bourse scolaire et universitaire.

Vitatsika io.
Patrick

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.