Service National: Omena fiofanana sy asa ny rehetra

  • samedi, 02 juin 2018 09:23
  • Super User

Tsy asa an-terivozina akory, fa isika manana olona 4 millions eo tsy an'asa na miasa fa tsy mahavelon-tena ny karamany.

Ka ampiasaina amin'ny toerana sy andraikitra sahaza azy avokoa ireo olona ireo.

Ny informaticien omena andraikitra amin'ny informatisation de l’administration, ny dokotera alefa any amin'ny hopitaly ambanivohitra rehetra, ny mpampianatra mampianatra, ny mpanao barazy manao barazy fambolena, ny mpanao lalana manao lalana.

Tsy ilay mpamaky vato misy rojo vy eritreretin'ny sasany akory, amin'izao misy engin, machine mahavita izany. Tsy manakana izay asa tanana ihany koa anefa izany.

Betsaka ny asa ampanaovina azy ireo:

Mamaky lalana, mamaky vato atao pavé, fanamboarana autoroute, manao barazy sy lakan-drano;
Miasa ozinina fanaovana ciment, goudron, atao béton sy goudron ary pavé ny lalana;
Fambolena velaran-tany lehibe, fambolem-bary, fary, mangahazo,
Fiompiana, fiompiana omby, trondro, tantely, soavaly, akoho, vorona, bitro, osy, ondry, jono an-tanety, andranomasina;
Fampianarana, fahasalamana, Fampianarana mamaky teny sy manoratra,
Fikarakarana ireo be antitra, ny ankizy;
Fanamboarana sekoly, hopitaly, trano fonenana, nouvelle ville;
Fanamboarana port, aéroport, barazy lehibe fanam-boarana jiro;
Fambolen-kazo, fiarovana ny ala, fanaovana éthanol;
Fanadiovana, zaridaina, fambolena vonikazo, fanaovana WC, fanaovana biogaz isam-pokontany;
Famonjena vonjy taitra, pompier;
Fampidirana rano madio, fanaovana pipeline;
Fitrandahana harena an-kibon'ny tany;
Miasa amin'ireo Indostria miankina na tsy miankina amin'ny fanjakana

Karama:

Ny manana Bac+3 miakatra: 1 000 000 ariary isam-bolana;
Ny manana Bac - Bac+3: 500 000 ariary isam-bolana;
Ny latsaky ny Bac mandray 200 000 ariary.

Misy amboniny arakaraky ny diplôma sy ny andraikitra tazonina.

Mahazo vary 150Kg, rano 15m3, éthanol 30litres/isam-bolana, isan-tokantrano, atao ao anatin'ilay Carte électronique asolo ny vola.
Mahazo Plaque solaire isan-tokantrano, averina 15 000 Ariary isam-bolana, mandritra ny 10 taona.
Mahazo tany 1000m² isan'olona.

Misoratra OSTIE na OSIE na izay mifandraika amin'izay, hiantohana ny fahasalamana.
Hakana 1% ny karama ary ny fanjakana mpampiasa no mandoa ny 3% ho an'ny fahasalamana.

Tsy maintsy miasa kosa ny rehetra izay tsy mianatra, fa tsy hitaingin-tamboho na hanao malaso na hifoka rongony eo fotsiny.

Vitatsika io
Patrick

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.