Rano: Zo fototra fa tsy entam-barotra

  • jeudi, 10 mai 2018 15:22
  • Super User

Singa faran'izay majinika mitambatambatra no lasa ranobe.

Faran'izay tsotra izy, izay hanaovana azy dia arahiny avokoa ny endrika omena azy.

Nefa dia matanjaka izy. Mamelona izy, 80 % n'ny vatan'olombelona dia izy avokoa.
Nefa mamono sy mahery koa izy raha setrasetraina.

Kajio ary ny rano fa aorian'ny ady amin'ny pétrole dia hitranga ny ady rano.

Ananantsika maro izy na ety an-tanety na an-dranomasina.

Tsy entam-barotra ny rano, na ekena fa misy manao seha-pihariana amin'izany, fa Zo fototra omena ny Malagasy rehetra kosa ny rano, na ho an'ny fambolena sy fiompiana izany, na ho fisotro madio sy fidiovana.

Ao anatin'ny tetikasa "Vitatsika io" dia ho raisin'ny fanjakana an-tanana ny fikajiana sy ny fanomezan-drano ho an'ny rehetra. Zo fototra io. Tsy amidy hitadiavam-bola ny rano fa fandraisana anjara no apetraka.

Atao malalaka izay orin'asa, ankoatran'ny Jirama, hamokatra herin'aratra na rano madio fisotro na rano ho an'ny fambolena sy fiompiana, na ranomasina ahodina ho lasa ranomamy.

100 litatra isan'andro isan'olona no Zo fototra ho an'ny tsirairay.

Ny ambonin'izay no vidiana.

Hisy vary 150kg, rano 15m3 isan-tokatrano isam-bolana hiditra amin'ny carte électronique n'ny isan-tokatrano.

Tetibola anatanterahina azy :

415 Ariary izao no amarotan'ny Jirama ny 1m3.
Mitentina 15x415= 6 225 ariary isam-bolana, isan-tokatrano izany, 74 700 ariary isan-taona.
300 miliara ariary eo izany ho an'ny tokantrano 4 tapitrisa. Eo amin'ny 100 millions de dollars isan-taona eo izany.

Vidina permis minier 1, mitovy ny tany Soalala, izany dia mahazo Zo fototra ho an'ny Malagasy rehetra.

Anatanterahina an'izany anefa, satria mila tonga any an-tokatranon'ny tsirairay ny rano madio, dia misy teti-bola 5 milliards de dollar hatokana hanaovana famokaran-drano sy pipeline na fantsona lehibe hitaritana rano.

Ny redevance azo avy amin'ny fitrandrahana solika sy gaz no akana izany famatsiam-bola izany.

Ny faritra atsimon'ny Nosy izany tsy hijanona amin'ny laza ratsy kere intsony.

Manapahaizana manokana momba ny rano aho ka ho henatra ho ahy ny hitondra Firenena tsy hisy rano madio fisotro isan-tokatrano.

Vitatsika io.
Patrick

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.